337 – Ry Jehovah, Tompo ô!

1. Ry Jehovah, Tompo ô!
Tompo masina sy to,
Azonay ny teninao
Mampandre ny antranao
Aoka harahinay
Ka ho masina aminay,
Mba hanao ny sitrakao
Izahay mpanomponao.:,:

2. Hody izahay izao
Amin’ny Anaranao;
Mitoera aminay
Ao an-tokantranonay,
Mba ho velona aminao
Izahay navotanao;
Be ny fahavalonay,
Ka arovy izahay:,:

335 – Hody izahay Zanahary!

1. Hody izahay Zanahary!
Tahio tsara izahay;
Ampifalionao ny fonay
Amin’ny fitianao;
Ampifalio:,:
‘Zahay ety an-tany.

2. Mankasitraka Anao izahay
Noho ny teny soa
Izay nampianaranao
Saina hahasoa anay.
Tomoera:,:
Aminay isan-andro.

3. Raha ho faty izahay
Ka handao ity tany
Dia ampifalio izahay,
Ento ho an-danitra,
Dia faly:,:
Izahay mandrakizay.

334 – Sambatra ny sofiko

1. Sambatra ny sofiko
Fa mandre ny teny
Tenin’i Jesosiko,
Tenim-pamonjeny.
He! Izaho tiany
Mba hiara-dia
Sy hianatra aminy
Ary tsy hania.

2. Sarotra ny làlako
Sady mampanahy,
Nefa ny Mpamonjiko
Mahatoky ahy;
Vetivety foana
Dia ho avy Izy
Amim-boninahitra,
Ka handray ny Azy.

333 – Hody, Tompo, izahay

1. Hody, Tompo, izahay,
Miaraha aminay,
Ka tahio ny teninao,
Mba hamorona aim-baovao,
Sao mivory foana
Izahay mpiangona.

2. Marobe ny rafinay
Ta-hamandrika anay;
Tompo, miarova anay,
Sao dia very izahay;
Mitoera aminay
Ao an-tokantranonay.

3. Efa renay taminao
Fa anay ny lanitrao,
Efa namboarinao
Mba ho an’ny olonao;
Ka tariho, Tompo ô,
Hody ao ny zanakao!

332 – Finaritra ny olonao

1. Finaritra ny olonao
Jesosy Tompo ô,
Fa manana ny aim-baovao
Ka ravo eram-po !
Ny famonjena vitanao
Dia efa voaray izao,
Ny fifaliany aty
Hitohy hatrary !

2. Izaho va Jesosy ô,
Mba isan’ny Anao ?
Ny solika fitaizako
Moa misy va izao ?
Hevero ry fanahiko,
Ka aza mety afa-po
Ambara-pahafantatrao
Fa Jeso no anao !