428 – Reko izao ry Tompo

1. Reko izao ry Tompo izany antsonao,
Miantso izany mpanompo mba ho irakao !
Inty! Inty! sns…

Fiv : Inty, inty, inty aho Jeso
Inty, inty, iraho ho aho Jeso
Ekeko re ny ho miaramilanao
Ho vonona hanao ny sitrakao, ka iraho !

2. O diovy Tompo izany molotro
Ka ny fo madio hanompo no atolotro !
Inty, inty, sns…

3. Tsy andeha irery fa hiaraka Aminao
Ka dia mba omeo ny hery sy Fanahinao !
Inty, inty, sns…

4. Reko izao ny toky hoe : « Momba ahy Ianao »
Ry Jesosy Tompo sy Zoky, vonona aho izao !
Inty, inty, sns…

427 – Ho vavolombelonao

1. Ho vavolombelonao
N’aiza n’aiza no aleha
Izay no faniriana vao
Sy hataoko rehareha.
Ka raha asa no atao
Inty tokoa fa vonona
(ho vonona aho)
Tsy hiala na handao,
Tompo ô, iraho aho!

2. Ho vavolombelonao
Eran-tany raha ilaina
Toy ny loharano vao
Izay mamelombelona aina.
Hanasoa ny tany hay
Efa mihamaina taho
(mihamaina)
Tompo ô, inty indray
Alefaso, vonona aho.

3. Ho vavolombelonao
Ao anaty fitsapana,
Ka hijoro ho Anao,
Na fefena, na raràna,
Tsy hiahotra ny dia :
Fa Hianao naniraka ahy
(naniraka ahy)
Tsy hiahotra aho satria
Amiko Hianao Mpitahy.

430 – Endrika sariaka

1. Endrika sariaka no
Anompoako Anao,
Jehovah Ray !
Fa tafika nidika
Izaho dia olonao mandrakizay !
He, ny foko afa-jaly
Tena ravo, sady falifaly !

Fiv : Ka endrika sariaka no
Anompoako Anao Jehovah Ray !

2. Fa tsaroan’izany saiko,
Mandra-maty ho tadidiko
Ny nanavotanao ny aiko,
Ilay fanahy sarobidiko !
Fa nomena fahendrena
Izay ekena fa ny famonjena
Ka endrika sariaka sns…

3. Be ny zavatra mihatra
Mampahory sy mandrera-po ;
Kanefa ireny tsy handratra
Ny arovanao, ry Ilay Tsitoha !
Fa ny fony tena tony
Tsy mba kivy, tsy mba taitra intsony !
Ka endrika sariaka sns…

4. Misy ve ny mampanahy
Sy ny zava-manahirana ?
He, tsy kivy ny fanahy
Fa hijoro ka ho mirana !
Fa Jehovah, Ray mahery
Miandany sady koa mijery
Ka endrika sariaka sns…

432 – Mandra-piavin’ny Tompo

1. Mandra-pihavin’ny Tompo, mivavaha !
Ny teny tsara nomeny tadidio,
Ny adidinao tontosay sy efao !
Mijery ny ataonao ny Ray.

Fiv : Raha mpanompo tsara hianao,
He, ny Tompo faly aminao !
Koa tanteraho ireo adidinao
Mba ho mpanompo mahasoa !

2. Mandra-piavin’ny Tompo, miasà !
Ampitomboy ireo talenta azonao !
Vola, fahaizana, aina, hery koa
No anompoy ny Tompo Tsitoha !
Fiv : Raha mpanompo tsara hianao, sns…

3. Moa tianao va Ilay Mpamonjy Tompo soa ?
Ny rany anie nanavotany anao !
Ny hafany tanteraho sy hajao
Valio ny fanavotany anao !
Fiv : Raha mpanompo tsara hianao, sns…