410 – Ry Jeso ô! Jereo

1. Ry Jeso ô! Jereo
‘Ndrao maty, Ka vonjeo;
Ry Kristy, Vonivatonay!
Mba raiso izahay.
Mahantra izahay.
Ka ory ny fonay;
Ry Tompo be fiantra ô!
Mba miantrà anay.

2. Mpanavotra ô! Jereo,
‘Ndrao very, ka vonjeo;
Ry Kristy, Orimbatonay!
Avoty izahay.
Mpanota izahay,
Maloto ny fonay;
Ry Zanak’Andriamanitra ô!
Vonoy ny otanay.

3. Mpanjaka ô! Jereo
‘Ndrao lavo, ka vonjeo;
Ry Kristy, Harambatonay!
Arovy izahay.
Malemy izahay;
Ry Tomponay mahery ô!
Tantano izahay.

409 – Ry zaza mpiodina, mba miverena

1. « Ry zaza mpiodina, mba miverena! »
Antsoin’ny Ray.
Isika hamaly am-po tsy terena:
« Indreto izahay
Miaiky fa ratsy
Maratran’ny rafy,
Sitrano izahay,
Fa simba ny toetranay. »

2. Indrisy, nanota ka mendrika ho faty
Sy very izahay!
Ny razanay dia nanompo ny maty
Ka narahinay,
Ry Ray ô, jereo
Ka dia vonjeo,
Mba ho zanakao
Izahay mitanondrika izao ».

3. « Sitraniko ny fihemoranareo,
Ry zanako ô!
Tsy ampanjomboniko aminareo
Ny tavako ko. »
Izany irinay
Ho re ao am-ponay,
Fa Ray Hianao
Mampionona ny olonao.

408 – Jehovah, Ray mahari-po

1. Jehovah, Ray mahari-po,
Izay tia sy mamindra fo,
O, mihainoa ny hatako;
Mba mamindrà fo amiko.

2. Izaho izay mangataka
Tsy azo hamarinina;
Indrisy! be ny tsiniko:
Mba mamindrà fo amiko.

3. Tsy tamboko isaina re
Ny fahotako marobe,
Ka be tokoa ny tahotro;
Mba mamindrà fo amiko!

4. He! Misy hanatonako
Anao, Mpandray mpibebaka;
Izaho diso fatratra:
Mba mamindrà fo amiko!

5. Fa Jeso no Anarana
Izay entiko mangataka
Ny hamelanao heloka:
Mba mamindrà fo amiko!

6. Tsinjovy re ny zanakao
Miverina aminao izao
Ka mitaraina aminao:
Mba mamindrà fo amiko!

7. O! mba jereo ka iantrao
Izaho miandrandra Anao;
Ny heloko vonoinao,
Fa mampisaraka aminao.

407 – O, ry Raiko, Izay malala

1. O, ry Raiko, Izay malala
Tonga aho zanakao,
Izay nania, fa adala,
Ka mifona aminao.
Mamelà ny fahotako
Teo anatrehanao;
Ary ny fahadalako
Aza mba tsarovanao!

2. He, izaho nanantena
Izao fiainana izao,
Ka nandà ny famonjena,
Izay lazain’ny teninao;
Kanjo hitako tokoa,
Fa izao tontolo izao
Tsy mba mana-java-tsoa
Hampiadana ny ao.

3. Enga aho, izay mahantra,
Mba ho isan’ny Anao;
Hianao no Ray Mpiantra,
Miantrà ny zanakao,
Ary noho ny Mpamonjy,
Izay nanavotra ahy re,
Raiso aho ho tra-bonjy,
Ho Anao, ry Ray! Amen!

406 – Manenina aho, Ray masina ô

1. Manenina aho, Ray masina ô!
Fa simba ny tsirin’ny aina;
Izay nambolenao tanatin’ny fo
Dia lanin’ny ota ka maina.

2. Indrisy ny fahadisoako, re!
Fa maro tsy tambo isaina,
Kanefa, ry Tompoko, mba mamonje
Ity ory, izay mitaraina!

3. Havaozy indray ny fanahiko izao
Andrao lasa ho babon’ny helo;
Ka ny fivalozako mba raisonao,
Vonjeo ny fo malahelo!

405 – Jesosy Kristy Tompo ô

1. Jesosy Kristy Tompo ô!
Mba mamindrà fo e!
Fa raha tsy hatoninao,
Mahantra aho re!

2. Mifona sy mangataka
Izaho, Tompo ô,
Noho ny ranao latsaka,
Vonoy ny heloko.

3. Ny famonjena vitanao,
Tsy hain’ny hafa atao;
Ny teny sy ny herinao
Dia ampy hanavao.

4. Ho heriko ny indrafo
Sy ny fitiavanao,
Ka faly ny fanahiko,
Fa velon-ko Anao.

5. Ny hazo-fijaliana
Anjarako aty,
Fa satro-pifaliana
Ho azaoko ary.

404 – Ny fasika amoron’ny rano

1. Ny fasika amoron’ny rano
Tsy tambo isaina, fa maro;
Ny kintana an-danitra koa
Tsy azo isaina avokoa.

2. Ny otako toraka izany,
Ny isany tsy hita lany;
Izaho nanary ny soa,
Ka dia mahantra tokoa.

3. Indrisy, izaho nania,
Ka very ny valim-pitia;
Ny foko tsy mety mangina,
Fa maro ny heloka ahina.

4. Izaho maniry hahazo
Ny lova izay tsy halazo;
Iriko ho tafafindra
Ho amin’ny avo indradra

5. Ry Jeso Mpamonjy mahery,
Variana aho fa very,
Ka noho ny ranao madio,
Ny heloko re mba ario.

401 – Izaho nivily, ka simba ny fo

1. Izaho nivily, ka simba ny fo,
Nafoiko ny lalana tery.
Izaho nanary ny soa sy to,
Ka resin’ilay mahavery.

2. Ka nony adala sy mafy ny fo,
Dia tonga ny filazantsara
Naneho ny teny mazava sy to,
Dia teny izay manambara:

3. Fa tonga ny Tompon’ny lanitra izao
Hamonjy izay olom-bery;
Modia anio, ry havako ô,
Araho ny lalana tery.

4. Jesosy nijaly nisolo anao;
Ny fony, ny ainy nijaly;
Ario ny ratsy, fidio zay
Ny soa izay mahafaly.

5. Izaho fahiny nahery nandà,
Tsy nety nifidy ny soa,
Fa noho ny hrin’ny afo sy rà,
Nanaiky ny foko favoa.

6. Izaho izao dia tretrika am-po,
Fa afaka tsara sy sahy
Hiala amin-dratsy, hitady ny to,
Ka mino fa Jeso no ahy

7. Ry Jeso Mpamonjy, arovy ny fo,
Ahiko ny fandrika maro!
Izaho mikasa ao anatin’ny fo
Hanaraka Anao, ry Mpiaro.