765 – Henoy ny antson’ny Tompo

1. Henoy ny antson’ny Tompo:
Iza no ho irakay?
Vonon-kandeha sy hanompo
Hiasa an-tanihay?
Adidy sarotr’efaina
Asa mangetana re
Mety handritra ny aina
Iza no vonona e!

2. Tsy didy miendrika baiko
Nefa mahery tokoa;
Nanindry mafy ny saiko
Ny antsonao, Tompo soa.
Satriko lavina, anefa
Manery ahy hanoa,
Any am-po no miantefa
Ny ako, onjany koa.

3. lnty, ry Tompo malala
Izaho ho irakao,
Nofo ka misalasala
Raha toa tsy tohananao.
Ny foko omeo fahendrena
Hanao ny sitrakao,
Ny saiko mora mivena
Fenoy ny hasoavanao.

4. Vonona ka hamasino
Hanefa ny irakao,
Eny, ry Tompo, vimbino
Handia ny làlanao.
Sarotra nefa hataoko
Ny asa atolotrao,
Ny sitrapo dia hafoiko
Tohano ny herinao.

764 – Tsy mangataka aho Tompo

1. Tsy mangataka aho Tompo,
Zava-py, harena, zo,
Fa ny tena mba iriko
Dia izao: ny fo madio.

Fiv : Fo madio izay akany
Feno eritreri-tsoa
Fo madio haren-tsy lany
Sarobidy avokoa.

2. Indrisy, fa ny soan’ny tany
Manodòka, mora lò;
Ny haren-tsy mety lany
Dia izao: ny fo madio.
Fo madio, sns…

3. Na maraina na hariva,
Izao, no angatahiko:
Mba ho ahy ilay soa indrindra,
Dia izao: ny fo madio.
Fo madio, sns…

763 – Tanora ô! Ny Nosindrazanao

1. Tanora ô!
Ny Nosindrazanao
Miandry izao,
Manasa anao,
lngao anio
Ilay fanevanao,
O! tafia ny herinao.

Fiv : O! mifohaza izao
Tahio ny herinao,
Injao, ny Nosinao,
Manantena Anao.
Jereo ny namanao
Taninin-doza izao
O! vonjeo fa mitoreo.

2. Avia, jereo
Ny Fiangonanao;
O! mba vonjeo
Fa mila anao.
Tanora soa
No mba ilaina koa
O! avia Hiara-dia.
O! mifohaza, sns…

3. Omeo anio
Ny herinao izao,
Ka dia falio
Ireo tapakao.
Ireo didy soa
Sy baikon’ny
Tsitoha Tanteraho
Sy hajao.
O! mifohaza, sns…

762 – Modia, modia

1. Modia, modia,
Fandrao very tokoa,
Fa ny efitra be
Nodiavina izao;
Ry zanako ô!
Modia izao.

2. Modia, modia,
Fa miandry ny Ray
Hampandroso anao,
Sady hanome soa:
Ry zanako ô!
Modia izao.

3. Modia, modia,
Fa nanavotra anao
Jeso Ilay be fitia,
Izay nisolo anao:
Ry zanako ô!
Modia izao.

4. Modia, modia,
Ka ilaozy izao
Izay ratsy natao,
Nahameloka anao;
Ry zanako ô!
Modia izao.

5. Modia, modia,
Hovantaninao ao
Ny trano n’ny Ray
Sy ny lamba madio
Ry zanako ô!
Modia izao.

761 – Ry Jeso, Zoky be fitia

1. Ry Jeso, Zoky be fitia!
Avia, mitantana
Fandrao izahay maniasia
Avilin’i Satana
———————
Ô Jésus, notre Grand frère plein d’amour !
Viens, prends nos mains
De peur que nous vacillions
Que Satan nous détourne

Fiv : Ry Jeso ô! Tahio izahay,
Fa mbola kely saina
He! Tsy mba hendry, tsy mahay,
Ka mora ambakaina.
———————
Ô Jésus ! Bénis nous,
Car notre intelligence est limitée
Nous ne sommes pas sages et ne savons discerner (le bien du mal)
Qu’il est facile de nous duper

2. Maniry izahay, Jeso!
Ho zandry izay manoa,
Ka dia ampaherezonao
Ho tia Anao tokoa.
Ry Jeso ô! Tahio izahay, sns…
———————
Nous souhaitons, Jésus !
Etre des petits frères / sœurs obéissants
Alors fortifie-nous
Afin que nous T’aimions vraiment
Ô Jésus ! Bénis nous, etc …

3. Indreto izahay, Jeso!
Tariho hahalala
Hanaraka ny sitrakao
Izay zokinay malala.
Ry Jeso ô! Tahio izahay, sns…
———————
Nous voici, Jésus !
Conduis-nous pour connaître
Et suivre Ta volonté
Toi notre cher grand frère
Ô Jésus ! Bénis nous, etc …

Translation by Uthando

760 – Aza mba manadino ny ray sy reninao

1. Aza mba manadino ny ray sy reninao;
Fa izy no nitaiza sy nanasoa anao;
Ka no aiza na aiza aleha an-tany lavitra,
Aza mba manadino ny ray sy reninao;
Tsara izay! Tsara izay!
Eny, tsy ho hadinonay
Ny ray sy reninay.

2. Aza mba manadino ny tanindrazanao,
Tsarovy ny tanàna izay nahabe anao;
Fadio izay tsy mety fanaony fahizay,
Aza mba manadino
Ny tanindrazanao:
Tsara izay! Tsara izay!
Eny, tsy ho hadinonay
Ny tanindrazanay.

3. Aza mba manadino ireo mpitondra anao,
Araho ny lalàna mba hiadananao:
Ka na aiza na aiza aleha an-tany lavitra,
Aza mba manadino
Ireo mpitondra anao:
Tsara izay! Tsara izay!
Eny, tsy ho hadinonay
Izay mpitondra anay.

4. Aza mba manadino ny fivavahanao,
Ataovy isan’andro mba hamonjena anao;
Mpitondra, ray sy reny ny tany, tena koa,
Aza mba manadino ny fivavahanao:
Tsara izay! Tsara izay!
Eny, tsy ho hadinonay
Ny fivavahanay.

759 – Ry Sakaizan’ny tanora!

1. Ry Sakaizan’ny tanora!
Zoky be fitia,
Sakambino moramora,
lzahay mpania.

Fiv : Tompo ô! Arovy
Ny madinikao,
Aza afoy fa mba tsarovy,
Tano mafy ho Anao,
Eny, aza afoy fa mba tsarovy,
Tano mafy ho Anao.

2. Ry Sakaizan’ny tanora!
Tsinjonao ary,
Izany ady tsy mba mora
Hitanay ety.
Tompo ô! sns…

3. Ry Sakaizan’ny tanora!
Tanonao izahay;
He! Fa be ny mpanakora
Raha lavo indray.
Tompo ô! sns…

4. Ry Sakaizan’ny tanora!
Eny, sitrakay,
Isan’andro, isan’ora
Ho Anao izahay.
Tompo ô! sns…

758 – Tsarovy e! rankizy

1. Tsarovy e! rankizy,
Ilay Mpanao anao!
Ka tadiavo Izy!
Dieny hitanao;
Dieny mbola kely
Tsarovy rahateo,
Ka aza manadino
Ilay Mpanao anao.

2. Tsarovy, ry zatovo,
Ilay Mpanao anao!
Ilaozy ny mpanota,
Fandrao manimba anao,
Tsarovy ny Jehovah
Namorona anao,
Mampanantena lova
Sy nahatoy izao.

3. Tsarovy, ry sakaiza,
Jehovah Tomponao!
Fa Izy no mitaiza
Sy manasoa anao;
Koa aza manadino
Ilay Mpanao anao,
Ny teniny araho,
Fa Izy no Rainao.

757 – Tsarovy, ry sakaiza

1. Tsarovy, ry sakaiza,
Ny Ray an-danitra e,
Fa Izy no nitaiza
Sy nahalehibe:
Fa raha mbola zaza
Nampitomboiny,
Ka na ho antitra aza
Tsy mba foiny.
Ny saina sy safidy
Nomeny ho anao,
Ka tiany hifidy
Ny tsara hianao.

2. Tsarovy, ry tanora,
Jesosy, avotrao,
Mahay mitondra mora,
Mitandrina anao,
Miaraka mambeta
Ny fahoriana:
Ka dia mahareta
Ny hatrotrahana,
Fa Izy no miaro
Izay mpianany
Ka dia mba fantaro
Ny fitiavany!

3. Tsarovy, ry zatovo,
Ny Mpanamasina,
Fa Izy no manovo
Ny rano velona,
Ka dia mba mampandro
Ny ta-hadio fo;
Lazainy isan’andro
Ny marina sy to,
‘Ka ny masirasira
Esoriny aminao;
Izay maniratsira
No halavironao.

4. Tohero, ry zatovo,
Izay mamitaka;
Satana ta-hamovo,
Ny tsy miambina:
Ny nofo mitsikilo
Ny voninahitrao;
Mamono ny fanilo
Izao tontolo izao.
Ka raiso ny ampinga
Alao ny sabatra,
Izany mahakinga
Ny te-ho sambatra.

756 – Avia, ry sakaiza ô!

1. Avia, ry sakaiza ô!
Fa antsoin’ny Mpanjaka izao!
Handray ny fiadiana
Ho entina hanafika.

Fiv : Velona ny baikonao,
Andrandrainay Hianao,
Ka arahinay tokoa,
Ry Mpandresy ao Ziona!

2. Ny sabatra atolony
Dia ny teny marina,
Ampinga fiarovana
Mahery ny finoana.
Velona ny baikonao, sns…

3. Ny vatsy izay atolony
Dia ny ra sy ny tenany
Ho herintsika olony,
Izay miaramilany.
Velona ny baikonao, sns…

4. Jesosy ô, arahinay
Ny fiantsoanao anay,
Ka manampia ny olonao,
Hiady sy handresy izao.
Velona ny baikonao, sns…