216 – Ny teninao ry Tompo ô

1. Ny teninao ry Tompo ô,
Dia ranon’aina soa
Izay mahalonakany fo
Mangetana tokoa,
Jereo ny tanimbolinao,
Fa tena mila io.
Ho feno voa ho Anao
Hatramin’ny anio.

2. Ny teninao dia sabatra
Maranitra tokoa.
Mitsara sy mamantatra
Ny fonay sy ny voa,
Hetseho izao tontolo izao
Handray ny teninao,
O, asehoy ny herinao,
Hamorona aim-baovao.

3. Ny teninao izay tokinay,
Fanilon-dianay,
Noraisinay ho lovanay
Sy fifalianay,
Ampianaro izahay
Hanoa ny didinao,
Ataovy izay hitiavanay
Ny teny masinao.

215 – Ny teny masina sy to

1. Ny teny masina sy to
Nampilazainao, Tompo ô!
No manankery mahavoa
Ny fahavalonao tokoa
Ka dia itokianay
Na aiza no alehanay.

2. Mitaona ny fanahinay
Ny teninao Mpanavotray,
Mananatra sy manambara
Ny ratsy ary koa ny tsara;
Mpilaza mahafatra-po
Ny teninao, ry Tompo ô!

3. Ny teninao no sabatray
Sy mpampionona anay;
Ny teninao no mofon’aina
Sy mpanazava fo sy saina:
Mpiaro sady tanjakay
Ny teninao, ry Tomponao!

4. Ampinganay ny teninao
Ao amin’izao tontolo izao,
Ka raha levona ny tany,
Ny teny mbola ao ihany,
Dia izy iankinanay
Ho antoky ny avotray.

214 – Finaritra, ry Tompo ô!

1. Finaritra, ry Tompo ô!
Ny mankafy ny teninao
Sy mankato ny didy.
Ny helony esorinao,
Ny sainy hohavaozinao.
Ka afaka hifidy
Ny lova sarobidy.

2. Ny teninao no rakitra
Sy tokin’ny mpandefitra,
Fa teny manan-kery.
He ! Ao dia voasoratra
Ny aminao Mpanavotra,
Fa Hianao irery
No avotry ny very

3. Ny teninao no vatsinay
Manohana ny dianay
Sakafo mahasoa
Sy ampy hivelomanay,
Ka ao am-parany indray
Ho azonay tokoa
Ny lovan’ny mpanoa.

213 – Ry fanahy mangetaheta

1. Ry fanahy mangetaheta
Mila fitsaharana:
Aza kivy, mahareta,
Sentonao hifarana!
Fa ny tenin’i Jehovah,
Soa mangarangarana;
Loharano tsy miova,
Ao no hasambarana.

2. Ry tontolo mila vonjy,
Te ho afa-patotra,
Ao ny tenin’ny Mpamonjy
Dia Kristy Mpanavotra!
Teny velona sy mamy,
Feno fananarana;
Ho torina eran-tany,
Fa fampihavanana.

3. Ry Mpanjakan’ny mpanjaka!
Ao, tendreo ny lelako
Mba hitory sy hizaka,
Hampandre ny havako,
Dia tahio ny teny ireny
Tsy ho very hasina,
Ka hamoa zato heny
Ny Baiboly Masina.

211 – Ilay Boky ‘zay nodorana

1. Ilay Boky ‘zay nodorana,
Dia may nefa tsy levona;
Izay natao ho lavenona,
Lasa vato fanorenana;
Noheverina ho foana
Kanjo mainka koa velona;
‘Lay nafenina, nalevina,
No nisandratra nivelatra!
Iza moa no hahasakana,
Eny, Iza no hanohitra,
Ilay teny voasoratra,
Dia ny Tenin’Andriamanitra
Zao rehetr’izao ho levona
Fa ny Teny no haharitra.

2. Rasalama nolefonina,
Nisy hafa koa nodorana.
Hantsana no namarinana,
Tora-bato: fahafatesana
Dia tao ireo nampinomina,
Noterena mba hiozona:
Moa izany nampivadika
Kristiana be finoana?
Valin-teny voasoratra
Nentiny nandresy lahatra:
Feo tony, tava mirana,
Feno hery, hasambarana:
« Tsy mba misy hatahorako
Afa-tsy Hianao ry Tompoko »

3. Ilay teny masina sy to
Manambara ry Mpamonjiko
Tena saro-bidy ao am-po,
Ka vakiko sy iainako
Fifaliako, fiarovako,
Fahazavana ao an-dalako;
Koa tanako ho lovako
Sy isaorako ny Tompoko,
Maty aho nefa velona,
Fa Kristy no ahavelomako.
Maty Izy nohomboana
Noho ny fahotana vitako
Nefa Izy dia nitsangana
Santatry ny hitsanganako.

210 – Zava-tsoa tokoa ny fitsipikao

1. Zava-tsoa tokoa ny fitsipikao;
Tompo Andriamanitra ô!
Teny mahasoa, aina, hery koa
Mba ho an’izay manoa.

Fiv :
(Feo voalohany)
Iravoanay
Fa harena be
(Feo faharoa)
Soa tsy manam-paharoa
Ny fitsipikao
Iravoanay fa harena be
Sarobidy tsy hafoy
Izany didinao
(Feo rehetra)
Famonjena ho an’izay mandre

2. Maizana izahay, kely fantatray,
Nefa ao ny teninao:
Jiro sy fanilon’ny tongotray
Hankanesa Aminao
Iravoanay sns…

3. Raha alaim-panahy itony zanakao
Indro, ao ny teninao
Sabatry ny fo, hanoheranay
Ilay ratsy hatrizay
Iravoanay sns…

4. Fifalianay, odi-tahotray
Ny Baiboly taminao:
Avy ny manjo, nefa kosa, Ray
Ao tokoa ny tavanao
Iravoanay sns…

5. Ry Jesosy ô, Mpampianatray!
Maminay ny teninao;
Taomy izahay, mba hahaizanay
Hankato ny didinao
Iravoanay sns…

209 – Jesosy tena kiady

1. Jesosy tena kiady
Sy reharehanay
Namoha vavahady
Ny tanindrazanay ;
Nampiditra ny Teny
Hampahalala anay
Ny Ray, ny fahendreny
Mba hianaranay

2. Na betsaka mifofo
Ny Baibolinay
Mihaza sy milofo,
Moa ketraka izahay ?
Jesosy no Mpiaro
Ka moa ve ho kivy ve ?
Vao maika mihamaro
Ny mpankasitraka e !

3. Mbola Izy no Filoha
Mpitarika anay,
Hitory ka hamoha
Ireo namanay ;
Vahoaka an-tapitr’isa
no mbola hasondrotray,
Hahita Paradisa
Ho zanaky ny Ray !

4. Ry Jeso, hatanjaho
Ny fiangonana,
Hijoro ho tena taho
Mamoa mandrakizay !
Hianao anie no sandry
‘Zay tena tanjakay
No sady hany andry
‘Zay hijoroanay !

5. Jesosy soa malala,
Tsy foinay Ianao !
Ny fonay dia handala
‘Ty lova taminao
Fanahy ravoravo
Noho ny Teninao
Ry Zanaky ny Avo,
Izao misaotra Anao

208 – Ny teny masinao torina hatrizao

1. Ny teny masinao
Torina hatrizao;
Maharitra tsy lo
Mamabo izany fo,
Fa marina ka tianay
Hiainanay mandrakizay.

2. Ny teny masinao
Mitondra hery vao,
Mandrava ny manjo
Ireo ‘zay ory fo;
Ka mendrika ho tanana
Anaty, ho fanana

3. Ny teny masinao
Dia tsy mba mankaleo;
FA hery velona
Mamelombelona;
Ka satrinay ho re indray
Ry Andriananaharinay.

4. Ny teny masinao
No feo manorina;
Ny teny masinao
No feo manarina,
Ka tianay hanenika
Ny tany sy ny lanitra.

207 – Mamy ny Teninao

1. Mamy ny Teninao,
Jehovah Masina !
Sy to ny Teninao,
Tsy azo ovana ;
Ny lanitra ho levona
Fa tsy simba ny Teninao !

2. Madio ny Teninao
Ka tsara indrindra,
Dia fahendrena
Ho an’ny adala,
Mahafaka ny maizina
Ka mitondra ny mazava !

3. Soa ny Teninao
Mahatsara ny fo
Fa ao no hitanay
Misy Mpanavotra,
Jeso, Loharanon’aina
Mahasasa ny meloka !

4. Irin’ny foko koa
Ny Teny masina
Noho ny harena
Na fananana be ;
Ny Teninao no tanako
Ho lovako mandrakizay !