Home > 8.07 - Fivavahana ho an'ny tanindranaza > 734 – Zanahary ô tahio ny tanindrazanay

734 – Zanahary ô tahio ny tanindrazanay

August 21st, 2009 fred

1. Zanahary ô tahio
Ny tanindrazanay,
Handroso lalandava,
Handry fahizay.
Enga anie hanjaka ao
Ny saina mahay miray,
Dia ho tany sambatra
Ilay Madagasikaranay.

2. Ireo mpitondra anay
Arovy lalandava koa,
Tolory saina hendry,
Kinga sy mahay
Ka ny marina anie
No mba hanjaka ao tokoa,
Dia ho tany sambatra
Ilay Madagasikaranay.

3. Ny taranakay tahio
Ho vanona tokoa:
Ireo no solofo,
Dimby rahatrizay.
Mba ho tena mahatoky,
Feno fahendrena koa,
Dia ho tany sambatra
Ilay Madagasikaranay.