Home > 2.02 - Ny fahaterahany > 75 – Andro malaza sady soa tokoa

75 – Andro malaza sady soa tokoa

August 23rd, 2009 nivo

1. Andro malaza sady soa tokoa
‘Lay andro ‘zay nisehoan’i Jeso:
‘Zay nantenain’ny mpaminany koa
Mba hampiseho fihavanana,

Fiv : Mifalia sy mihobia mafy,
Efa tonga ny Mpanavotrao;
Avia, ka miderà,
Derao io Zaza io,
;,: Hobio, hobio,
Fa Tompontsika io.:,;

2.Anjely maro no nihoby tao;
Mpiandry ondry nitsaoko Azy koa.
Ny olon-kendry koa nanasina Azy,
Andeha mba hankalaza Azy izao:
Mifalia, sns…

3. Dera sy haja no atolotray
Anao, ry Jeso ‘zay teraka anie:
Ka mba mandraisa ny fanatitray
Ho zava-mani-pofona tokoa:
Mifalia, sns…