Home > 2.09 - Ny fiderana sy fisaorana azy > 164 – Jesosy irery ihany

164 – Jesosy irery ihany

July 30th, 2009 rohy

1. Jesosy irery ihany;
Filazantsara soa
Nentin’ireo mpanompo,
Torina aminao.
Maizina avokoa
Izao rehetr’izao
Nefa he ny mazava
Naposaka aminao.

2. Jesosy irery ihany
No ivavahana.
Ny Anarany irery
no fanavotana.
Ny olona rehetra
no handohalika
Ety an-tany ka ha-
trany an-danitra.

3. Jesosy tsy miova
omaly sy anio.
Ary mandrakizay fa
tsy mba mamitaka;
Mifona ho antsika
Eo an-kavanan-dRay.
JESOSY IRERY IHANY
Re no isaorana!