Home > 2.09 - Ny fiderana sy fisaorana azy > 172 – Hoderaiko lalandava Jeso ‘lay mpanavotro

172 – Hoderaiko lalandava Jeso ‘lay mpanavotro

August 18th, 2009 nivo

1. Hoderaiko lalandava
Jeso ‘Lay Mpanavotro
Noho ny fitiavana ahy,
Maty mba ho soloko.

Fiv : Hoderaiko, hoderaiko
Fa ny rany masina
Nentiny hanavotra ahy:
Afaka ny heloko.

2. Holazaiko lalandava
Ny tantara mamiko,
Zay nitadiavana ahy
Very noho ny heloko:
Hoderaiko, sns…

3. Hohiraiko lalandava:
‘Zao ny voninahiny,
Fa ny fahafatesana aza
Resy noho ny heriny:
Hoderaiko, sns…