Home > 2.05 - Ny fitsanganany > 146 – Anao ny dera, ry Zanaky ny Ray

146 – Anao ny dera, ry Zanaky ny Ray

August 17th, 2009 haja

1. Anao ny dera,
ry Zanaky ny Ray,
Anao ny fandresena,
ry Mpanjakanay.
Ny fasana nivoha
noho ny herinao,
Ny Anaranao Tsitoha
tsy voatana tao.

Fiv : Anao ny dera,
ry Zanaky ny Ray,
Anao ny fandresena,
ry Mpanjakanay.

2. Hianao nandresy,
lao re ny fasana;
Ny fanjakan’ny ota
koa ho lasana.
Ny herin’ny Satana, vato nikodia,
Ny Anaranao nandresy
haharitra doria,
Anao ny dera, sns…

3. He, ravo aho:
Izy no santatra
Izaho koa hifoha,
mba ho sambatra.
Ny fandresen’i Jeso,
lovako tokoa,
Ny Anarany Tsitoha
hanangana ahy koa.
Anao ny dera, sns…