185 – O! Ry Fanahin’ny Ray ao ambony

1. Ô! Ry Fanahin’ny Ray ao ambony,
Andriamanitra mandrakizay,
Aza avela hisaraka intsony,
Ny olo-mino, fa aoka hiray;
Taomy ho an’i Jesosy Mpamonjy,
Ny mbola maizina, ka hazavao,
Hahafantarany tsara ny vonjy,
Dia ho faly ny mpino Anao.

2. Ô! Ry Mpiantoka ny famonjena,
Azo ny antoka tsara izao;
Tonga ny Iraka be fahendrena
Mba hanambara ny sitraponao;
Ka ny lelafo noraisin’ny mino
Sy ny fiteniny tonga vaovao
Dia nahagaga, ka tena nampino
Olona maro hanaraka Anao.

3. Ry Mpampionona ô! Mba sitrano
Fa voaratran’ny ota izahay;
Ka izay ory mba ampiadano,
Ny malahelo falio indray!
O, mba ovaonao tokoa ny sainay,
Taomy ka ampahareto ny fo;
Ka raha ory arovy ny ainay
Mba tsy hafoinay intsony ny to.