612 – Ry Ray mpiaro lehibe

1. Ry Ray Mpiaro lehibe,
Mba mihainoa ahy e,
Ka ampio aho hanao hoe:
Hatao anie ny sitrakao!

2. lzay rehetra sitrakao
No aoka mba hatao izao,
Fa mahasoa ny tianao :
Hatao anie ny sitrakao!

3. Na sarotra aza ny hatao,
Mba manampia ny zanakao
Hanaraka ny teninao :
Hatao anie ny sitrakao!

4. Na tonga aza ny manjo,
Ka ory sy mivadi-po,
Ho toy izao no teniko :
Hatao anie ny sitrakao!

5. Mba tanterahonao tokoa
Izay kasainao hahasoa;
Ny tena sy fanahy koa;
Hatao anie ny sitrakao!

6. He, Hianao dia tsy mandao
Izay voaray ho olonao
Ka mankato ny didinao;
Hatao anie e ny sitrakao!