623 – Mba omeo ahy

1. Mba omeo ahy
Fo madio kokoa
Afaka ahiahy
Ho Anao tokoa.
Izaho dia malaina,
0! mba hafanao re
Mba hikely aina
Hahefako be.

2. Mbola manangoly
Ny fakampanahy;
Ao koa ny devoly
Ta-hamotraka ahy;
Tompo ô! Ampio
Ny mpanomponao izao,
Ary mba tafio
Herim-po vaovao.

3. Atolory ahy
Zotom-po sy hery,
Fahendrem-panahy,
Fo mahay mietry.
Ampianaro aho
Mba hanolo-tena,
Ka mba hatanjaho
Ny finoako.

4. Dia hamasino
Ny saiko, ry Tompo!
Ka omeo fo mino,
Fo mahay manompo,
Fo mahay mihafy,
Fo miravoravo,
Na dia voa mafy,
Fo toy ny Anao.