Home > 7.10 - Fiadanana sy fifaliana > 537 – Endrey ny hamaroan’ ny soa

537 – Endrey ny hamaroan’ ny soa

August 1st, 2009 njakaprisca

1. Endrey, ny hamaroan’ny soa
Nomenao Ray ho ahy koa!
Ny aiko, he, navotanao,
Ny heloko vonoinao.

Fiv : Eny, Raiko,
He! Ravoravo tokoa
Ity zanakao voavonjy re,
Ka velombelona ery.

2. He, azoko tokoa jeso,
Ilay perla soa, madio sy vao;
Ny zava-tsoan’ny tany re
Dia tsy ahoako tokoa.
Eny, Raiko, sns…

3. Tsy aiko ny hilaza izao
Hamisavisa re, ry Ray;
Ny fanomezan-dehibe
Dia tsy voatonoko koa.
Eny, Raiko, sns…

4. Ny foko no hidera izao,
Hisaotra sy hanaja Anao,
Hanoa, ho vonona hanao
Ny sitrakao rehetra.
Eny, Raiko, sns…