Home > 7.12 - Fitarainana amin'ny Mpamonjy > 586 – Jesosy Kristy Tompo ô hianao no antenaiko

586 – Jesosy Kristy Tompo ô hianao no antenaiko

August 24th, 2009 nivo

1. Jesosy Kristy Tompo ô!
Hianao no antenaiko;
Tsy misy Mpamonjy toa Anao,
Ry Heriko sy Aiko,
Fa tsy mba misy olona
Mahafaka ny heloko,
Tsy zakako nyentako,
Ry Jeso ô!
Hianao anefa tokiko.

2. Ny otako dia lehibe,
Ny foko dia ory!
Mpamonjy Ô, vonjeo re!
Ny heloko esory.
Ny Rainao tsara ilazao,
Fa izaho no navotanao,
Ka mba havela heloka,
Dia azoko
Ny fiadanana ao am-po.

3. Finoa-marina ao am-po
No aoka mba homenao,
Mba hanandramako tokoa
Ny tsirom-pamonjenao,
Mba hitiavako Anao
Sy ireo rahalahinao;
Raha avy ny fotoako,
O, mba vonjeo!
Ka mba reseo ny rafiko.

4. Ny saotra, dera, ho Anao,
Ry Raiko be fiantra,
Sy ho Anao, ry Kristy Ô,
Mpamonjy ny rnahantra,
Anao, Fanahy Masina,
Izay te na Mpampionona!
Izaho mba omeonao
Ny aim-baovao,
Haharitra ho olonao!