Home > 7.12 - Fitarainana amin'ny Mpamonjy > 587 – Jehovah Tompo no itokiako

587 – Jehovah Tompo no itokiako

August 24th, 2009 nivo

1. Jehovah Tompo no itokiako,
Fa mampitombo ny fifaliako;
Ny fo sy saiko miankina Aminy,
Izay ilaiko omen’ny teniny,
Ka tena aiko ny toroheviny.

2. Ampio aho, Jehovah Tompo ô!
Fa mitalaho izao ny zanakao,
Omeo hery hitanako ny to,
Mba tsy ho very ny rakitra ao am-po;
Hianao irery no iankinako.

3. Ry Kristy Tompo, mba mamonje anay
Mba ho mpanompo mazoto izahay,
Mpiasa tsara ankasitrahanao,
Izay manambara ny fitiavanao
Ka hiafara eo anatrehanao.