Home > 7.12 - Fitarainana amin'ny Mpamonjy > 588 – Tompo Mpamindra fo mahery sy tsitoha

588 – Tompo Mpamindra fo mahery sy tsitoha

August 24th, 2009 nivo

1. Tompo Mpamindra fo!
Mahery sy Tsitoha
‘Zay nidina taty
Hamonjy ny mania;
Mivavaka Aminao
sy mitalaho izahay
Ny gadranay tapaho
hanafaka anay’

2.Tompo ô! Manjakà
Amin’ny olonao;
Faingàna, iantrao
Ireo izay narovanao;
Miondreha, mijere,
Izahay miandrandra Anao;
Ny herinao anie
Hatafinao ireo.

3. Tompo Mpanova fo,
Mpampionona tokoa.
Midina ka ampio
Izahay hahery izao.
Toky mamy loatra
No omena anay:
Hatrany ankoatra,
Arovinao izahay.