589 – Ry Jesosy Tompoko, izay nanetry tena ô

1. Ry Jesosy Tompoko,
Izay nanetry tena ô!
Naka ny tarehinay
Hanavotanao anay;
Mba omeo anay izao
Ny Fanahy Masinao,
Hanarahanay Anao.

2. Zanak’i Davida ô!
Mba midira ao am-po,
Raiso ka diovinao
Izy ho tempolinao;
Izahay manasa Anao
Honina ao am-po izao,
Koa mba ekeonao!