Home > 7.12 - Fitarainana amin'ny Mpamonjy > 590 – Kristy Tsitoha, Tomponay mahery

590 – Kristy Tsitoha, Tomponay mahery

August 24th, 2009 nivo

1. Kristy Tsitoha, Tomponay mahery,
Mba mitodiha re ny olom-bery,
Ka mamonje anay izay mania;
O, mba avia!

2.He, Hianao kiadin’ny mivalo,
Ka mba reseonao ny fahavalo;
Ny ta-hanimba ny Anao sakano
Izahay tantano!

3. Ny fiangonanao ampiadano,
Ny tanindrazanay re mba tohano,
Ny tena sy fanahinay tahio,
Ampifalio!

4. Ny asanao, ry Zana-Janahary,
Dia mankalaza Anao miharihary,
Ka izahay midera Anao Mpamonjy
Fa voavonjy!