469 – Jeso ô, Mpitia anay

1. Jeso ô, Mpitia anay !
Maminay ny teninao,
Osa ny fanahinay,
Fa mahery Hianao :

Fiv : Mamy, ry Jeso ! (in-3)
Ny fitiavanao.

2. Jeso ô, Mpitia anay !
Mahadio Hianao ;
Ka ny halotoanay,
Aoka ho voasasanao :
Mamy ry Jeso !, sns…

3. Jeso ô, Mpitia anay !
Tompon’aina Hianao ;
Maro ny aretinay,
Nefa samy afakao :
Mamy ry Jeso !, sns…

4. Jeso ô, Mpitia anay !
Aoka hotarihinao ;
Aza mba mandao anay,
Mandra-pahafatinay :
Mamy ry Jeso !, sns…