Home > 7.06 - Ny fiainana ao amin'ny Kristy > 474 – Jesosy ô, Hianao no faleha

474 – Jesosy ô, Hianao no faleha

August 23rd, 2009 nivo

1. Jesosy ô! Hianao no faleha!
Mba hankanesana amin’ny Ray.
Ka mitariha anay Mba handeha
Amin’ny lalana marina indray.

2. Fa Hianao no Mpamonjy voatendry,
Zanaka mandrakizay Hianao;
Ka Hianao no Mpitarika hendry,
Làlana amin’ny Ray Hianao.

3. Diso ny tsara, ka dia nizotra
Tamin’ny làlana ratsy izahay;
Koa mamerena anay mba hizotra
Amin’ny làlana tsara indray.

4. Fa Hianao no mitondra ho any
Amin’ny lanitra fonenanao;
Ary tsy misy mahazo mankany
Afa-tsy amin’ny alàlanao.

5. Maro ny zavatra izay mampahory,
Fa Hianao no Mpiaro anay;
Aoka izahay tsy ho reraka akory,
Ry Mpanalàlana amin’ny Ray!