Home > 7.06 - Ny fiainana ao amin'ny Kristy > 478 – Ny hirako izao Ray be fitia

478 – Ny hirako izao Ray be fitia

August 23rd, 2009 nivo

1. Ny hirako izao,
Ray be fitia,
Ny ho akaikinao
Bebe kokoa,
Izay, re, no hirako,
Mandrapahafatiko;
:,: Akaikinao:,:

2. Raha mba sarotra
Ny diako
Ka zary maizina
Ny làlako,
Ry Ray! Akaikinao
No tian’ny zanakao:
:,: Akaikinao:,:

3. Ao no hiseho re
Ny tohatra,
Mba hanatonako
Ny lanitra,
Anjely miantso ahy
Akaikinao, ry Ray!
:,: Akaikinao:,:

4. Ny fahoriana
Sy loza koa,
Raha eo anilanao,
Dia mody soa,
Ka dia tano aho
Ho ao akaikinao:
:,: Akaikinao:,:

5. Na dia hilentika
Ny androko,
Ary izao hita izao
Hilaozako,
Mbola ho hirako,
Ry Andriamanitro!
:,: Akaikinao:,: