Home > 7.06 - Ny fiainana ao amin'ny Kristy > 479 – Jeso no anjarasoa izay mahafa-po tokoa

479 – Jeso no anjarasoa izay mahafa-po tokoa

August 23rd, 2009 nivo

1. Jeso no anjarasoa
lzay mahafa-po tokoa ,
Soa tsy manam-paharoa,
Ahy Jeso : Ampy izay.

Fiv : Ahy Jeso hatrety
Ahy Jeso hatrary
Ahy Jeso Zoky tia
Mandrakizay doria, doria.

2. Vola sy harena be
Maro tia tokoa anie;
Nefa mamiko ny hoe:
Ahy Jeso: Ampy izay.
Ahy Jeso hatrety, sns…

3. Fahefana, laza soa
Mahafatifaty koa;
Nefa izao no tena soa:
Ahy Jeso: Ampy izay,
Ahy Jeso hatrety, sns…

4. Eny, izao rehetra izao
Tsy hamoizako Anao,
Ry Jeso lzay tsy mandao!
Ahy Jeso: Ampy izay.
Ahy Jeso hatrety, sns…

5. Jeso, aina, hery, zo;
Jeso, lova tsy mba lo;
Jeso, fianinam-po;
Ahy Jeso: Ampy izay,
Ahy Jeso hatrety, sns…