Home > 7.06 - Ny fiainana ao amin'ny Kristy > 488 – Na inona na inona hitranga, Jeso!

488 – Na inona na inona hitranga, Jeso!

July 20th, 2009 prisca

1. Na inona na inona hitranga, Jeso!
Na ny lanitra ho manga, Jeso!
Na ho maloka mangina, Jeso!
Dia ho feno fifaliana, Jeso!

Fiv : Ny fotoana dia handalo, Jeso!
Fa tsy hisy hampimalo, Jeso!
Raha miorina ao am-poko, Jeso!
Ilay fitiavanao inoako, Jeso!

2. Raha jereko ny andro lasa, Jeso!
Tao ny tsiky, tao ny ratra, Jeso!
Nefa Hianao, Ilay Mpampahery, Jeso!
No nambomba sy nijery, Jeso!
Ny fotoana, sns…

3. Ny ho avy antenaiko, Jeso!
Mbola ho fifalian’ny saiko, Jeso!
Ny hasasarako hisava, Jeso!
Ny harivako hazava, Jeso!
Ny fotoana, sns…