559 – He, vetivety ny aty an-tany

1. He, vetivety ny aty an-tany ;
Fa trano lay no itoeranao ;
Ka aza ketraka na mitomany,
Fa andrandrao ny tanindrazanao.

2. He, vetivety ao an-dalan-tery
No mahasarotra ny dianao.
Ka, aza kivy, fa Ilay Mahery
Mamboa-trano hitsaharanao.

3. He, vetivety ao an-tany maina
No mahabe ny fijalianao,
Ka dia ho hitanao ny ranon’aina
Hahafaka ny hetahetanao.

4. Arahonao ny lalan-toratady,
Mba hahafaingana ny dianao ;
Jesosy Tomponao no vavahady,
Ny lanitra no hovantaninao.

5. He, vetivety ary dia ho hita
Ny tany soa mandry fahizay ;
Jesosy ô, faingàna hahavita
Ny fikasanao tsara aminay