Home > 6.08 - Fampielezana ny filazantsara > 312 – Mitoera, ry Jesosy!

312 – Mitoera, ry Jesosy!

August 24th, 2009 rado

1. Mitoera, ry Jesosy!
Ao an-tanimbolinao,
Ka amboary ‘zao ny voly
Mba hitombo sy hamoa.
Tomoera,
Iasao ny Nosinay.

2. Mba onenonao ny lasy
Itoeranay izao,
Ka ovay ny Malagasy
Mba ho tena zanakao.
O! monena;
Hazavao ny Nosinay.

3. Akekezo ireo mpania
Tafaverina aminao,
Ka tantano mba ho tia
Ny miresaka aminao.
O! tariho
Ho Anao ny Nosinay.

4. Dia fohazy ny mpitory
Mba hanao ny asanao,
Ka hamoha ireo matory
Mba handre ny sitrakao.
Hamasino
Ho anao ny Nosinay.

5. O! Jesosy feno antra!
Dera, laza, ho Anao,
Ny lohalika rehetra
Handohalika aminao.
Mitoera,
Fa anao ny Nosinay.