231 – Ry Tomponay Tsitoha

1. Ry Tomponay Tsitoha,
Ilay iray hatrizay,
Avia, hampifoha
Ny fiangonanay,
Atreho ny mpivory
Fa manantena Anao ;
Fohazy ny matory
Handray ny Teninao !

2. Iraho ny Fanahy
Mba hanavao anay
Ka homba sy hitahy
Ny Teny inoanay !
Na lehibe na kely,
Ampio sy hafanao
Hazoto hampiely
Aty ny lazanao !

3. Ny asam-pamonjena
Izay natombokao,
Ambino tsy hihena,
Tahio sy tontosao !
Ny herin’i Satana
Folahy hatrizao,
Ho afa-pahotana
lzahay navotanao !

4. Arovy ny finoana
Izay naorinao ;
Vonoy ny hevi-poana
Mandà ny Teninao !
lzahay na be na vitsy,
Hazôny tsy hania,
Mba ho Anao mihitsy
Mandrakizay doria !