Home > 6.01 - Fanombohana sy fiantsoana > 242 – Misaotra Anao ‘zahay, ry Ray!

242 – Misaotra Anao ‘zahay, ry Ray!

October 22nd, 2016 haja

1. Misaotra Anao izahay, ry Ray!
Fa tsy nafenina anay,
Izay tena sitrakao tokoa
Mba hahazoanay ny soa.

2. Ka mitariha anay izao
Handray ny toro-hevitrao
Izay lazain’ny teninao
Hanaovanay ny sitrakao.

3. Ampahirato izahay
Hahaizanay mahita anio
Ny zava-mahagaga anay
Ao amin’ny lalànao soa.

4. Ampianaro izahay
Ho tia tokoa ny teninao,
Ka hankatò ny didinao,
Hanaiky hotapahinao.

5. Ny asan’ny Fanahinao
Mba tanteraho aminay
Hampiorina ao anatinay
Izay lazain’ny teninao.