Home > 6.01 - Fanombohana sy fiantsoana > 244 – Ry Jeso! Mba henoinao

244 – Ry Jeso! Mba henoinao

August 18th, 2009 haja

1. Ry Jeso! Mba henoinao
Ny feonay mpanomponao,
Izay mivavaka aminao
Mitady fitahiana.

2. Vokiso ny fanahinay,
Ny teninao no haninay,
Hahaizanay mamahana
Ny reraka ao an-dalana.

3. Ampaherezonao izao
Ny tànanay mpanomponao
Hanohana ny olonao
Miraviravy tanana.

4. Omeo fo mazoto re!
Tolory fahendrena be;
Tarihonao ny hevitray;
Tendreo koa ny molotray.

5. He! Tsinontsinona izahay,
Malemy sady tsy mahay;
Ka dia ampaherezonao
Hanaovanay ny sitrakao.