Home > 04 - Ny telo izay iray > 191 – Ny Teny sy Fanahinao

191 – Ny Teny sy Fanahinao

August 1st, 2009 naryfiona

1. Ny Teny sy Fanahinao,
Ry Ray, mba avelao
Handroso tsara, hanavao
Izao tontolo izao,
Mitombo, mihabe
Ny ratsy izao, odre!
Fa vitsy ny mpanomponao
Izay ifalianao.

2. Vonjeo, ry Jesosy ô!
Ny fiangonanao,
Fa misy marobe izao
Izay mody olonao.
Anefa tsy manao
Izay tena sitrakao.
O, ry Mpanjaka lehibe!
Mba mamonje anie.

3. Fanahy ô! Mba raisonao
Izao vavakay izao;
Ny fonay mba havaozinao,
Ny maso hazavao,
Hahafantaranay
Izay alehanay,
Mba hamoazanay
Izao voa tianao.