Home > 04 - Ny telo izay iray > 192 – Andriananahary, aba Ray

192 – Andriananahary, aba Ray

August 1st, 2009 naryfiona

1. Andriananahary, aba Ray
Izay, ianteheranay,
Mba raiso re ny vavakay.
Esory sy vonoy ny helokay,
Vonjeo, re, izahay!

2. Ry Jeso Zanak’Andriamanitra,
Mpitarika ho an-danitra
Mpanolo-tsaina marina,
Mpamonjy tia ka nolavina,
Vonjeo, re, izahay!

3. Ry Mpampionona mandrakizay,
Ampiomano izahay
Handray ny famindramponao,
‘Ndrao very amin’ny otanay izahay.
Vonjeo, re, izahay!