24 – Ny lanitra ao ambony ao

1. Ny lanitra ao ambony ao,
:,: Andriamanitra ô! :,:
Izay rehetra vitanao
Dia mahagaga anay. (in-3)

2. Ny volana aman-kintana,
:,: Ny masoandro koa :,:
Ny tany aman-danitra.
Mitory avokoa. (in-3)

3. Ny andro aman’alina
:,: Milaza aminay :,:
Fa hendry Andriamanitra,
Jehovah Tomponay.

4. Ny tenanay, fanahy koa,
:,: Dia avy taminao, :,:
Ka mampiseho tsara koa
Ny voninahitrao. (in-3)

5. Izay rehetra vitanao
:,: Aty sy any koa :,:
Miara-mankalaza Anao,
Fa Tompony tokoa. (in-3)

23 – Tsy misy zava-mahasoa

1. Tsy misy zava-mahasoa,
Andriamanitra ô!
‘Zay tsy nataonao ho anay
Mba hifalianay.

2. Tsy misy singan’ahitra,
Na ravin-kazo koa
Izay tsy amantaranay
Fa hendry Hianao.

3. Ny kintana mazava ery
Maneho avokoa
Fa sitrakao hanafaka
Ny aizina aminay.

4. Izay rehetra tazanay
Dia voninahitrao;
Izay rehetra takona
Milaza izany koa.

5. Ny tany sy ny lanitra
Nataon’ny herinao
Dia azo ianarana
Ny famindramponao.

22 – Ry Rainay Izay namorona

1. Ry Rainay Izay namorona
Izao rehetra Izao,
Ny hita sy ny takona
Dia asan-tananao.

2. Ny volana aman-kintana,
Ny biby marobe.
Ny ala maitso mavana,
Hitsaoka Anao anie.

3. Ny tany sy ny lanitra,
Ny ranomasina,
Ireo tendrombohitra
Manolo-kasina.

4. Ny ory sy ny mpanana
Dia fototra iray,
Fa samy asan-tanana
Nataonao Tomponay

5. Dia saotra no atolotray
Anao, ka raisonao,
Fa fanomezan-ko anay
Ny asan-tànanao.

21 – Derao Andriamanitra

1. Derao Andriamanitra,
Ry vazan-tany efatra,
Fa Izy no mamindra fo
Ka mety manome ny zo,
Naniraka ny Zanany,
Hanavotra ny olony
Ny sandriny tsy toha re,
Fa manan-kery lehibe.
Malaza ny Anarany,
Fa lehibe ny asany.

2. Ny zavatra rehetra e,
Ny ranomasin-dehibe,
Ireo tendrombohitra,
Ny saha feno ahitra,
Ny hazo sy ny vorona
Ny vato sy ny zavona,
Ny voninkazo manitra,
Ny endriky ny lanitra
Dia samy tsy mijanona
Midera ny Mpamorona.

3. Ry olona navotana,
Mba mitsangàna faingana,
Ka miderà ny Tomponao,
Izay nanavotra anao,
Fa he, ny voninahiny
Manerana ny taniny.
Tendreo ny valihanao
Ka miventesa hira vao:
Ry voavonjy ô, derao
Ny Ray Mpamorona anao!