Fpma Paris


ASTUCE: RÉACTUALISER VOTRE PAGE EN CAS DE RAJOUT DE CHANTS PENDANT LE CULTE. BON CULTE
 

FANOMPOAM-PIVAVAHANA

Alahady 30 aogositra 2026

TRADUCTION DU DIRECT:
+33 (0)1 70 37 22 46 – Code 98810659739#- Mot de passe : 2020#

Offrandes, rakim-pisaorana, adidy
http://www.fpma-paris.org/offrandes-cotisation

  • Lakolosy & Feon’java maneno fanombohana
  • Mpitarika : Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, Amen !

FANATREHANA & FIDERANA NY TOMPO

  • Psaumes 63

O Dieu ! tu es mon Dieu, je te cherche ; Mon âme a soif de toi, mon corps soupire après toi, Dans une terre aride, desséchée, sans eau. 2Ainsi je te contemple dans le sanctuaire, Pour voir ta puissance et ta gloire. 3Car ta bonté vaut mieux que la vie: Mes lèvres célèbrent tes louanges. 4Je te bénirai donc toute ma vie, (…) 7Car tu es mon secours, Et je suis dans l’allégresse à l’ombre de tes ailes. 8Mon âme est attachée à toi; Ta droite me soutient.

  • Hira :

    550 - Ry Tompo ô, ny tany maina (1-2-4)

    1. Ry Tompo ô, ny tany maina
    No itoerako ;
    Midina re, ry Andon'aina
    Ho ao anatiko.

    2. Tsy aloka malaky lasa
    No angatahiko,
    Fa hery monina hiasa
    Sy hanavao ny fo.

    4. He, tena zavatra ilaiko
    Ny hohavaozinao;
    Ny ainao asoloy ny aiko
    Ho velon-ko Anao.
  • Vavaka fihaonana
  • Feon’java-maneno

SITRAPON’ANDRIAMANITRA

FIAIKEN-KELOKA

  • Mpitarika: (Vavaka fifonana)
  • Fiangonana :
    « Ry Rainay Be Famindram-Po Ô, Mitalaho Aminao izahay; Mamelà ny helokay;
    Diovy izahay ho afa-pahotana; Sasao izahay ho afa-keloka; Ary havaozy ny fanahinay mba ho vonon-kanompo Anao. Ny Fitiavan’i Jesosy Kristy Zanakao Mpamonjy anay no angatahanay Aminao. Amena. »
  •  

Ry Andriamanitra Tompo Ray any an-danitra ô, mamindrà fo aminay !
Ry Jesosy Tompo Mpamonjy izao tontolo izao, mamindrà fo aminay !
Ry Fanahy Masina Tomponay Mpampionona ô, mamindrà fo aminay !

TENY FAMELAN-KELOKA SY FIHAVANANA

  • Mpitarika: (Teny famelan-keloka)
  • Fiangonana: Amen

FANKALAZANA

  • Mpitarika : Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra
  • Fiangonana : Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.
  • Hira:

    4 - Mamy ny fitianao (2-4)

    2. Mamy ny fitianao,
    Mahafaly fo tokoa
    Izahay avelanao
    Mba hibebaka avokoa !
    Lasa lavitra izahay
    Nefa notadiavinao ;
    Efa ratsy izahay
    Nefa tsy nafoinao !

    4. Mamy re, ry Tomponay
    Izao fitianao izao,
    Ka indreto izahay
    Avy mba hisaotra Anao ;
    Raiso re izao saotra izao
    Fa fanati-tsitrapo,
    Tsy mba mendrika ho Anao
    Nefa vokatry ny fo !
  • Feon’java-maneno

FAMAKIANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
FOTOANAN’NY ANKIZY SY TANORA

(Mitsangana ny ankizy sy ny tanora)

    • Hira :

      205 - Ny Teninao rehetra (2-4)

      2. Ny tenin'ny Baiboly
      No sabatra entinay
      Handresy ny devoly,
      'Lay fahavalonay;
      Raha misy mampahory,
      Ka osa izahay
      Ny teninao mahery
      Manjary tanjakay

      4. Fa teny mampisava
      Ny aizim-be aty.
      Fanilo manazava
      Ny dia ho ary
      Manolo-pahendrena,
      Mananatra ny fo,
      Milaza famonjena
      Sy lova tsy ho lo.
  • Mpitarika: Ho aminareo anie ny Tompo
  • Fiangonana: Ary ho amin’ny fanahinao
  • Mpitarika: (Vavaka fitsilovana ho an’ny ankizy sy noho ny Teny)

    VAKITENY

Jérémie 20.7-9

7 Seigneur, tu m’as trompé,
et je me suis laissé tromper.
Tu m’as pris de force
et tu as été le plus fort.
Chaque jour, les gens rient de moi,
tout le monde se moque de moi.
8Chaque fois que je dois parler,
je dois crier et annoncer :
« Violence et destruction ! »
Oui, chaque jour,
à cause de la parole du Seigneur,
les gens m’insultent et se moquent de moi.
9Je me dis alors :
« Je ne penserai plus au Seigneur,
je ne parlerai plus de sa part. »
Mais tout au fond de moi,
il y a comme un feu qui me brûle.
Je me fatigue pour être plus fort que lui,
et je n’y arrive pas.

Romains 12. 1 – 2

1Frères et sœurs chrétiens, Dieu est plein de bonté pour nous. Alors, je vous demande ceci : offrez-lui votre personne et votre vie, c’est le sacrifice réservé à Dieu et qui lui plaît. Voilà le vrai culte que vous devez lui rendre. 2Ne suivez pas les coutumes du monde où nous vivons, mais laissez Dieu vous transformer en vous donnant une intelligence nouvelle. Ainsi, vous pourrez savoir ce qu’il veut : ce qui est bon, ce qui lui plaît, ce qui est parfait.

Mattio 16.21-27

21À partir de ce moment, Jésus-Christ commence à annoncer clairement à ses disciples : « Il faut que j’aille à Jérusalem. Je vais beaucoup souffrir à cause des anciens, des chefs des prêtres et des maîtres de la loi. Ils vont me faire mourir. Et le troisième jour, je me réveillerai de la mort. » 22Alors Pierre prend Jésus à part et il se met à lui faire des reproches. Il lui dit : « Seigneur, que Dieu te protège ! Non, cela ne t’arrivera pas ! » 23Mais Jésus se retourne et il dit à Pierre : « Va-t’en ! Passe derrière moi, Satan ! Tu es en train de me tendre un piège. En effet, tu ne penses pas comme Dieu, mais comme les hommes ! »
Comment suivre Jésus ?
24Ensuite Jésus dit à ses disciples : « Si quelqu’un veut venir avec moi, il ne doit plus penser à lui-même. Il doit porter sa croix et me suivre. 25En effet, celui qui veut sauver sa vie la perdra. Mais celui qui perdra sa vie à cause de moi, la retrouvera. 26Si une personne gagne toutes les richesses du monde, mais si elle perd sa vie, à quoi cela lui sert-il ? Qu’est-ce qu’on peut payer en échange de la vie ? 27Oui, le Fils de l’homme va venir avec ses anges, dans la gloire de son Père. Alors il récompensera chacun selon ses actions. 

 
  • Fiangonana : RAY MASINA Ô! Manamasina anay amin’ny fahamarinana…

FANEKEM-PINOANA KRISTIANA

Mino an’ Andriamanitra Ray Tsitoha, Mpanao ny lanitra sy ny tany aho.

Ary mino an’ i Jesoa Kristy Zananilahy Tokana Tompontsika, izay notorontoronina tamin’ ny Fanahy Masina, naterak’ i Maria Virjiny, nijaly raha nanapaka i Pontio Pilato, nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana, maty ka nalevina, nidina tany amin ‘ny fiainan- tsy hita, nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo, niakatra ho any an- danitra, mipetraka eo an- kavanan’ Andriamanitra Ray Tsitoha, avy any no hiaviany hitsara ny velona sy ny maty.

Mino ny Fanahy Masina aho, ny Fiangonana Masina manerana izao tontolo izao, ny fiombonan’ny olona masina, ny famelan- keloka , ny fitsanganan ‘ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay .
Amena.

  • Hira :

    241 - Ry Jeso ô! Midina (2-3-4)

    2. Ry Jeso! hamasino
    Ny toe-piainanay,
    Ka dia ampidino
    Ny hery ho anay;
    Ny bitsika mangina
    Ataovinao izao,
    Hamelom-paniriana
    Hanao ny sitrakao.

    3. Ry Jeso ô! Monena,
    Midira Hianao,
    Ny fonay manantena
    Handray Anao izao;
    Ka izay misalasala
    Ampaherezonao,
    Dia taomy hahalala
    Ny fitiavanao.

    4. Ny hatakay mangina
    Henoy ka mba valio,
    Koa dia mitenena
    Hianao ankehitrio,
    Ry Jeso! Mpanazava
    Ny dianay aty,
    Omany lalandava
    Ny fonay ho ary.

TORITENY

FILAZAN-DRAHARAHA

RAKITRA

Offrandes, dons, rakim-pisaorana, adidy : http://www.fpma-paris.org/offrandes-cotisation (Lien Paypal)

ASTUCE: REACTUALISER VOTRE PAGE EN CAS DE RAJOUT DE CHANTS PENDANT LE CULTE.

  • Hira:

    472 - Iriko e, ry Jeso, hitovy Aminao

    1. Iriko e, ry Jeso,
    Hitovy Aminao
    lzay tsy manan-keloka
    Fa masina tokoa !
    Iriko e, ry Jeso,
    Ho tonga toa Anao,
    Namonjy sy nanafaka
    Fanahy, aina koa !

    2. lriko, ry Mpamonjy,
    Mba ho sakaizanao !
    Hiaraka ory Aminao
    Ka tsy handao Anao ;
    Iriko, ry Mpamonjy,
    Hanara-dia Anao :
    Ny hazo fijaliana
    Ho entiko izao !

    3. lriko, ry Mpandresy,
    Hiaraka Aminao
    Ho eo an-toby lehibe,
    Ho miaramilanao !
    Iriko, ry Mpandresy,
    Hanaraka Anao,
    Mitondra ny fanevanao,
    Handray ny herinao !

    4. lriko, ry Mpanjaka,
    Ho ao an-dapanao ;
    Hiara-paly Aminao
    Fa tonga zanakao !
    lriko, ry Mpanjaka,
    Ho eo anilanao
    Handray ny lova atolotrao
    Mpanjaka be fitia !

    506 - Tsy misy miadana ka afa-po

    1. Tsy misy miadana ka afa-po
    Izay monina eto an-tany;
    Fa izay tia sy mino ny
    Tompo Jeso
    No hahazo ny soa tsy lany.
    ---------------------
    Personne sur terre
    Ne peut être en paix et comblé
    Mais seul celui qui aime et qui croit
    au Seigneur Jésus
    Recevra les bienfaits inépuisables.


    Fiv : Mba irio, mba irio
    Ny hananana an'i Jeso.
    ---------------------
    Désirez, désirez
    Avoir Jésus


    2. Raha misy mahory mahazo ety
    Jeso no hanala izany;
    Tsarovy ny avotra tao
    Kalvary,
    Fa nalatsany tany ny rany
    Mba irio, Mba irio,
    sns…
    ---------------------
    Si un malheur survient ici-bas
    Jésus enlèvera ta tristesse
    Souviens toi du salut
    Au mont du calvaire
    Car Il y a fait couler son sang.
    Désirez, désirez
    etc ...


    3. Izao maniry hanaraka
    Anao,
    Ry Tompo Mpanafaka ota!
    Fa fantatro tsara hatramin'zao
    Ny fitiavanao ahy mpanota.
    Mba irio, Mba irio,
    sns…
    ---------------------
    Je souhaite Te suivre
    Toi Seigneur qui absout les péchés !
    Car je suis convaincu que depuis toujours
    Tu m'aimes, moi qui suis pécheur.
    Désirez, désirez
    etc ...


    Translation by Uthando

Hira fanolorana:

Ry Tompon’ny harena ô,
Fanatitra an-tsitrapo
Atolotray Anao izao ;
Mba raiso ka tahionao. Amena.

VAVAKA FISAORANA SY FANGATAHANA

TSO-DRANO

  • Hira:

    638 - Ry Jeso Mpamonjy malala (1-2-4)

    1. Ry Jeso Mpamonjy malala,
    Indreto ny mpanomponao ;
    Raha misy izay mankahala,
    Matoky fa manana Anao !

    2. Ny tafika ataon"i Satana
    Milofo hamotraka anay ;
    Avia, ry jeso, mitantana
    Fa mioman-kandresy izahay !
    Jereo, jereo sns...

    4. lreo nentinao voatantara
    No feo mampahery anay ;
    Ny tokin'ireo Maritiora
    Faneva mitarika anay !
    Jereo, jereo sns...

    Fiv : :,:Jereo, jereo
    Fa vonon-kanaraka Anao !:,:
  • Mpitarika: (Tsodrano – Nomery 6.24-26)
  • (Mipetraka ny fiangonana)
  • Vavaka mangina
  • Mpitarika :Voninahitra ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amena.
    Mandehana amin’ny fiadanana, ka manompoa ny Tompo!
  • Fiangonana: Isaorana anie Andriamanitra!
  • Feon-java-maneno firavana

Fiangonana Protestanta Malagasy Aty an-dafy tafo Paris

Cultes et réunions au 16 rue Chauchat – Paris 9eme:

Pasteur: Solohery RAOBINARISON

Fanompoam-pivavahana : 16 rue Chauchat, 75009 Paris
Fandraharana : 47 rue de Clichy, 75009 Paris
Tel. : 01 45 26 35 93 – http ://www.fpma-paris.org
Fandraisan’ny Mpitandrina : Ora ifanarahana