Fpma Paris

ASTUCE: RÉACTUALISER VOTRE PAGE EN CAS DE RAJOUT DE CHANTS PENDANT LE CULTE. BON CULTE

FANOMPOAM-PIVAVAHANA

Alahady 14 Jolay  2024

TRADUCTION DU DIRECT:
+33 (0)1 70 37 22 46 – Code 98810659739#- Mot de passe : 2020#

Offrandes, rakim-pisaorana, cotisation
http://www.fpma-paris.org/offrandes-cotisation

  • Lakolosy & Feon-java-maneno 
  • Mpitarika :Amin’ny anaran’y Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena

FANATREHANA & FIDERANA NY TOMPO

  • Salamo           145

  • Hira:

    16 - Avia, ry vazantany ô! (2-4)

    2. Avia, ry fiangonana ô!
    Mba asandrato re ny feo
    Hidera ny Mpanavotra;
    Na aty an'efitra aza izao,
    :,: Hirao am-pandehanana
    Ny hira soan'i Ziona :,:

    4. Avia, ry olom-bery ô!
    Izay mandre ny teny soa
    Hoe: "Manatòna Ahy 'zao";
    Anio ny Tompo mba fidio
    :,: Ny fitiavany valio;
    Ny fiderany koa hirao :,:
  • Vavaka 
  • Feon-java-maneno

SITRAPON’ANDRIAMANITRA

FIAIKEN-KELOKA

  • Mpitarika: (Vavaka fifonana)
  • Fiangonana : Ry Rainay Be Famindram-Po Ô, Mitalaho Aminao Izahay; Mamela Ny Helokay;
    Diovy Izahay Ho Afa-Pahotana; Sasao Izahay Ho Afa-Keloka; Ary Havaozy Ny Fanahinay Mba Ho Vonon-Kanompo Anao. Ny Fitiavan’i Jesosy Kristy Zanakao Mpamonjy Anay No Angatahanay Aminao. Amena.
    • Hira:

Ry Andriamanitra Tompo Ray any an-danitra ô, mamindrà fo aminay !
Ry Jesosy Tompo Mpamonjy izao tontolo izao, mamindrà fo aminay !
Ry Fanahy Masina Tomponay Mpampionona ô, mamindrà fo aminay !

TENY FAMELAN-KELOKA SY FIHAVANANA

  • Mpitarika: (Teny famelan-keloka)
  • Fiangonana: Amen

FANKALAZANA

  • Mpitarika : Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra
  • Fiangonana : Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.
  • Hira :

    167 - Midera ny Anaranao (1-2-4)

    1. Midera ny Anaranao
    'Zahay, ry Tompo ô,
    Ka hira no ventesinay
    Hoe : haja, saotra, hery
    Mba raiso ho Anao !

    2. He, voahombo Ianao
    Nisolo heloka
    Ka mendrika hanaovanay
    Hoe : haja, saotra, hery
    Mba raiso ho Anao !

    4. Raha tonga ao an-danitra
    'Zahay mpanomponao,
    Hitohy re ny hiranay
    Hoe : haja, saotra, hery
    Mba raiso ho Anao !
    -----
    (Tiona 1 - J. Ellor)

    (Tiona 2 - W. Shrubsole)
  • Feon-java-maneno

FAMAKIANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

  • (Mitsangana ny ankizy sy tanora)
  • Hira :

    226 - Tompo ô, mba te hihaona

    Tompo ô, mba te hihaona
    Aminao ny olonao,
    Ka ny oran-dohataona
    Ampombay ny teninao !
    Ny Fanahinao iraho
    Aminay izay mitalaho !
    :,: Mba vokiso zava-tsoa
    Ny mangetaheta Anao ! :,:
  • Mpitarika : Ho aminareo anie ny Tompo
  • Fiangonana: Ary ho amin’ny fanahinao
  • Mpitarika: (Vavaka)

VAKITENY

TESTAMENTA TALOHA : Amosa 7  / 12 – 15
ANCIEN TESTAMENT : Amos 7  / 12 – 15

2 Dès qu’il m’eut adressé ces mots, l’Esprit entra en moi et me fit tenir debout, et j’entendis celui qui me parlait. 3 Il me dit : Fils d’homme, je t’envoie vers les Israélites, vers cette foule de rebelles qui se sont révoltés contre moi. Jusqu’à ce jour, eux et leurs ancêtres se sont soulevés contre moi. 4 C’est vers ces gens à la tête dure et au cœur insensible que je t’envoie pour que tu leur dises : « Voici ce que déclare le Seigneur, l’Eternel. » 5 Alors, soit qu’ils écoutent, soit qu’ils refusent d’écouter – car c’est une communauté rebelle – ils sauront du moins qu’il y a un prophète au milieu d’eux.

EPISTILY: Efesiana 1. 3 – 14
EPÎTRE : Ephésiens 1. 3 – 14

Bénédictions de Dieu en Jésus-Christ, auteur de notre rédemption et chef de l’Église
 
3 Béni soit Dieu, le Père de notre Seigneur Jésus-Christ, qui nous a bénis de toutes sortes de bénédictions spirituelles dans les lieux célestes en Christ! 4 En lui Dieu nous a élus avant la fondation du monde, pour que nous soyons saints et irrépréhensibles devant lui, 5 nous ayant prédestinés dans son amour à être ses enfants d’adoption par Jésus-Christ, selon le bon plaisir de sa volonté, 6 à la louange de la gloire de sa grâce qu’il nous a accordée en son bien-aimé. 7 En lui nous avons la rédemption par son sang, la rémission des péchés, selon la richesse de sa grâce, 8 que Dieu a répandue abondamment sur nous par toute espèce de sagesse et d’intelligence, 9 nous faisant connaître le mystère de sa volonté, selon le bienveillant dessein qu’il avait formé en lui-même, 10 pour le mettre à exécution lorsque les temps seraient accomplis, de réunir toutes choses en Christ, celles qui sont dans les cieux et celles qui sont sur la terre. 11 En lui nous sommes aussi devenus héritiers, ayant été prédestinés suivant la résolution de celui qui opère toutes choses d’après le conseil de sa volonté, 12 afin que nous servions à la louange de sa gloire, nous qui d’avance avons espéré en Christ. 13 En lui vous aussi, après avoir entendu la parole de la vérité, l’Évangile de votre salut, en lui vous avez cru et vous avez été scellés du Saint-Esprit qui avait été promis, 14 lequel est un gage de notre héritage, pour la rédemption de ceux que Dieu s’est acquis, à la louange de sa gloire.

(Mitsangana)

FILAZANTSARA: Marka 6. 7 – 13
EVANGLIE : Marc 6. 7 – 13

7 Alors il appela les douze, et il commença à les envoyer deux à deux, en leur donnant pouvoir sur les esprits impurs. 8 Il leur prescrivit de ne rien prendre pour le voyage, si ce n’est un bâton; de n’avoir ni pain, ni sac, ni monnaie dans la ceinture; 9 de chausser des sandales, et de ne pas revêtir deux tuniques. 10 Puis il leur dit: Dans quelque maison que vous entriez, restez-y jusqu’à ce que vous partiez de ce lieu. 11 Et, s’il y a quelque part des gens qui ne vous reçoivent ni ne vous écoutent, retirez-vous de là, et secouez la poussière de vos pieds, afin que cela leur serve de témoignage. 12 Ils partirent, et ils prêchèrent la repentance. 13 Ils chassaient beaucoup de démons, et ils oignaient d’huile beaucoup de malades et les guérissaient.

  • Fiangonana : Ray masina ô! manamasina anay amin’ny fahamarinana, ny teninao no fahamarinana; Amen!

FANEKEM-PINOANA KRISTIANA

Mino an’ Andriamanitra Ray Tsitoha, Mpanao ny lanitra sy ny tany aho.

Ary mino an’ i Jesoa Kristy Zananilahy Tokana Tompontsika, izay notorontoronina tamin’ ny Fanahy Masina, naterak’ i Maria Virjiny, nijaly raha nanapaka i Pontio Pilato, nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana, maty ka nalevina, nidina tany amin ‘ny fiainan- tsy hita, nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo, niakatra ho any an- danitra, mipetraka eo an- kavanan’ Andriamanitra Ray Tsitoha, avy any no hiaviany hitsara ny velona sy ny maty.

Mino ny Fanahy Masina aho, ny Fiangonana Masina manerana izao tontolo izao, ny fiombonan’ny olona masina, ny famelan- keloka , ny fitsanganan ‘ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay .
Amena.

  • Hira

    242 - Misaotra Anao 'zahay, ry Ray! (1-2-5)

    1. Misaotra Anao izahay, ry Ray!
    Fa tsy nafenina anay,
    Izay tena sitrakao tokoa
    Mba hahazoanay ny soa.

    2. Ka mitariha anay izao
    Handray ny toro-hevitrao
    Izay lazain'ny teninao
    Hanaovanay ny sitrakao.

    5. Ny asan'ny Fanahinao
    Mba tanteraho aminay
    Hampiorina ao anatinay
    Izay lazain'ny teninao.

TORITENY

  • Feon-java-maneno
  • Antoko Mpihira

FILAZAN-DRAHARAHA

RAKITRA

ASTUCE: REACTUALISER VOTRE PAGE EN CAS DE RAJOUT DE CHANTS PENDANT LE CULTE.

Offrandes, dons, rakim-pisaorana, cotisations : http://www.fpma-paris.org/offrandes-cotisation (Lien Paypal)

  • Hira:

    310 - Misy maro ao an-tsaha mitaraina

    1. Misy maro ao an-tsaha mitaraina,
    Ka ento ny Jiro mba hankao !
    Tsy mba misy atoandro na maraina
    Fa maizina re ny ao ;
    Indro olo-maro be
    No maniry mafy hoe :
    Mba midina mankaty,
    Itondray Baiboly re
    Izy ireo fa ta handre
    An'i Kristy Tompo soa !

    Fiv : "Mandehana", hoy ny Tompo, "mandehana
    Ho amin'izao tontolo izao !"
    Mitsangàna ary, eny, mitsangàna
    Fa izy no homba anao !

    2. Mandehana mba hitarika ny jamba,
    Mba ampifalio ny ory fo ;
    Ny mahantra ilazao fa misy lamba
    Tsy miova, tsy mety lo ;
    Jeso Mofon'aina soa
    Sady Ranon'aina koa,
    Asehoy ho hitany !
    Tena Andriamanitra,
    Tompo tao an-danitra,
    Ambarao ho fantany !
    "Mandehana", sns...

    3. Mandehana hanatanjaka ny osa,
    Omeo toky re ny ketraka ;
    Ny anjaranao, ataovy ho tontosa
    Ka aza dia reraka !
    Mandehana ianao
    Ka vitao ny asanao
    Fa ny tambinao ary ;
    Mbola any ihany re
    ny handraisan-tamby be,
    Dia rehefa tsy ety !
    "Mandehana", sns...

    309 - Iza no hitantara ny Tompo Jesosy

    1. Iza no hitantara
    Ny Tompo Jesosy,
    Ilay nandao ny lapa
    Ka nidina taty ?
    Nitafy nofo Izy,
    Nanetry tena koa.
    Ka maty ho Mpisolo
    lzao rehetra izao:
    lza no hitantara (in-3)
    Ny Tompo Jesosy?

    2. lza no hitantara
    Ny fitiavany ?
    Fa tia ny mpanato
    Mahantra, very koa;
    Ka izay manatona Azy
    Dia tsy hariany,
    Fa raisiny tokoa
    Mba ho sakaizany:
    lza no hitantara (in-3)
    Ny fitiavany ?

    3. lza no hitantara
    Ny zava-marobe
    lzay raisin'ny voavonjy
    Amin'ny alalany?
    "Tsy mbola hita maso,
    Na ren'ny sofina,
    Na takatry ny saina"
    Ny hasoavany:
    lza no hitantara (in-3)
    Ny hasoavany ?

    4. lza no hitantara
    Ny soa be ary
    He! Lova tsara fara
    Hasolo ny aty;
    Any an-danitra any
    Be haravoana,
    Fa ao ny Tompo Jeso
    lzay hifaliana:
    lza no hitantara (in-3)
    Ny soa be ary ?

Hira fanolorana:

Ry Tompon’ny harena ô,
Fanatitra an-tsitrapo
Atolotray Anao izao ;
Mba raiso ka tahionao. Amena.

VAVAKA FISAORANA SY FANGATAHANA

TSO-DRANO

  • Hira:

    36 - Moa ho haiko tantaraina ny hasoavanao ? (2-3)

    2. Fiadanana nafoin'i jeso Tomponay,
    F'efa tonga ny fotoana
    Sitraky ny Ray :
    Olom-bery nozahany,
    Ny fatorany vahany,
    Hajambana koa nalany tsy ho ao !
    Jeso no derao, sns...

    3. Hoderaina lalandava ny Anaranao,
    Fa ny haizina nisava
    Eo imasonao !
    Na tsy tian'ny sasany aza
    Ny Anaranao malaza,
    'Zaho koa hankalaza azy re !
    Jeso no derao, sns...

    Fiv : :,: Jeso no derao :,:
    'Zay nataony ambarao !
    Jeso no derao !
  • Mpitarika: TSODRANO
  • Mpitarika :Voninahitra ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amena.
    Mandehana amin’ny fiadanana, ka manompoa ny Tompo!
  • Fiangonana: Isaorana anie Andriamanitra!
  • Feon-java-maneno firavana

Fiangonana Protestanta Malagasy Aty an-dafy tafo Paris

Cultes et réunions au 16 rue Chauchat – Paris 9eme:

Pasteurs : Solohery RAOBINARISON & Paul Mamy Tina  Andriamihangy

Fanompoam-pivavahana : 16 rue Chauchat, 75009 Paris
Fandraharana : 47 rue de Clichy, 75009 Paris
Tel. : 01 45 26 35 93 – http ://www.fpma-paris.org
Fandraisan’ny Mpitandrina : Ora ifanarahana