FJKM Analakely

Alahady 7 Aprily 2024

  • Début : 10h00
  • Page mise a jour chaque dimanche, mettez la dans vos favoris

Liste des chants du jour

130 - Hobio, ry olombelona!

1. Hobio, ry olombelona!
Jesosy dia velona,
Ny fasana dia rava;
Misokatra ny lanitra,
Ny aizina sy tahotra,
Dia resin'ny mazava,
Jeso Kristy
No deraina sy hajaina.
Fa Mpamonjy,
Tompon'aina mahavonjy.

2. He! Misy làlana indray
Ho ao an-danitra, izay
Miandry ao, ambony;
Fa vitan'ny Mpanavotra
Ny vonjy mahasambatra,
Ka sitraky ny fony
Handray izay
Mitomany, mba ho any
Amin-dRainy;
Fa izany dia hainy.

190 - Ry Fanahy mpanazava (1)

1. Ry Fanahy mpanazava
Miandrandra Anao 'zahay,
Aza ela fa tongava,
Taomy ny fanahinay !
Mba ho fantatray mazava
'Zay lazain'ny Teninao,
Areheto lalandava
Ao am-po ny afonao !

163 - He Jesosy Tokintsika (2-3)

2. Andrandraonao ka andraso
Ny Mazava lehibe !
Dia Ilay tsy hita maso,
Mpanazava, Mpanome !
Fa ny ainao dia ho very
Raha tsy arahinao
Ilay Mpanjaka manan-kery,
Izay nanavotra anao !

3. Eto afovoantsika
Ilay Mazava tokana !
Sambatra izay mahita Azy
Fa ho velona !
Ry Jesosy, iresaho
Izahay mpianatrao !
Hafanao sy hatanjaho
Ny finoanay Anao !

293 - Izaho nentina nanatrika (1)

1. Izaho nentina nanatrika
Ny Tompo sy ny fiangonana;
Ny ray sy reny niantoka
Hitaiza sy hitari-dalana.

317 - O, ry Rain'ny fahazavana tsy milentika!

1. O, ry Rain'ny fahazavana tsy milentika,
Avy izahay mitondra ny fisaorana,
Aloky ny fasanay no ipetrahanay
Nefa andro no nasolonao ny alinay !

2. Enga ka handroso tsara ny mazava e,
Mba ho fantatray tokoa Ilay manao hoe :
"Izaho no fahazavan'izao tontolo izao",
Hanazava sy hanitsy izay alehanao !

3. Ny Fitarikandron'aina efa hita re,
Manazava na ny kely na ny lehibe,
Mahasoa, mahahendry, mahasambatra ;
Ka akory re ny andro izay hiposaka !

4. Mitsangàna, ry Ziona, ka mihazavà !
Voninahitry ny Tompo no miposaka ;
Atopazy manodidina ny masonao,
Ny haren'ny firenena tonga aminao !

547 - Ry Jeso Masoandronay ô! (1)

1. Ry Jeso Masoandronay ô,
Ny haizin'ny fo lasa tokoa,
Fa tonga aty anatinay izao
Mazava lehibe !

Fiv : Eny, Jeso Zoky be fitia,
Soa lehibe no nentinao taty ;
Avy izahay mba hisaotra Anao
Noho ny fitiavanao !