786 – Ny teninao Jehovah Izay ianaranay

1. Ny teninao, Jehovah!
Izay ianaranay,
Dia tsara, tsy miova,
Ka ifalianay
He! Tena mananjara,
Izahay ankehitrio,
Fa lova tsara fara,
No azo amin’io.
———————
Ta Parole, Éternel !
Celle que nous apprenons
Est merveilleuse, elle ne change pas
Nous nous en réjouissons
C’est vraiment une grâce pour nous
Elle nous assure un si bel héritage.

2. Ireo zaza teo aloha
Dia tsy nahita izao
Tsy nisy hampifoha,
Natory foana tao;
Nahantra sady ory,
Niferina aina koa,
Tsy fantany akory
Izay tena foto-tsoa.
———————
D’autres enfants avant nous
n’ont pas vécu cela.
Personne n’est venu les réveiller,
Ils sont restés endormis ;
Ils étaient pauvres et malheureux
Ils se plaignaient,
Sans connaître la vraie source du bonheur.

3. Mamiratra indrindra.
Ny masoandronay,
Milanto sy mirindra
Ny antom-piainanay;
Ny teninao ihany
No mahatonga izao,
He! Sambatra ny tany,
Fa mahalala Anao.
———————
Notre lumière
resplendit.
Toute notre existence se déroule
dans une harmonie bien ordonnée.
Et c’est grâce à ta parole,
Heureuse la nation
Qui te connaît.

4. lrinay mba hihombo
Izay ianaranay,
Ampio koa mba hitombo
Ny saina anananay;
Ho avy zato heny
Ny voan’ny teninao,
Hiely eran-tany
Ny voninahitrao!
———————
Nous désirons être fermement attachés
à ce que nous apprenons,
Aide-nous à avoir
toujours un meilleur discernement
Que ta parole porte des fruits
au centuple
Que ta gloire
se répande sur toute la terre !

800 – Haleloia asandratray

1. Haleloia asandratray
Ho Anao ry Jeso ô!
Resinao ny rafinay
Fa nitsangana Hianao.

2. Foana ny fasana
Fa tsy nahatana Anao;
Ny fahafatesana
Dia nofolahinao.

3. Ka mihira izahay,
Fa nandresy Hianao,
Ka ho velona indray
lzahay madinikao.

4. Hianao hisaoranay
Raha hitsangana izahay
Ka handao ny fasanay
Mba handray ny lovanay.

5. Dera no ventesinay
Ho Anao, ry Zokinay;
Hoby no asandratray,
Ry Mpanjaka maminay.

799 – Zaza sambatra tokoa

1. Zaza sambatra tokoa,
Ry Jesosy, izahay,
Fa ny Tompo Zanahary
No mamelona anay.

2. Zaza sambatra tokoa,
Ry Jesosy, izahay,
Hianao nijaly mafy
Hanavotanao anay.

3. Zaza sambatra tokoa,
Ry Jesosy, izahay,
Ny Fanahy Mpanadio
Manamasina anay.

4. Zaza sambatra tokoa,
Ry Jesosy, izahay,
Fiarovanay tsy tohA
Hianao, ry Tomponay!

798 – Izahay zazakely manatona Anao

1. Izahay zazakely manatona Anao
Ry Jeso izay teraka androany
Fa tonga hanavotra anay Hianao
Ka faly izahay noho izany

Fiv : Mitehafa tanana
Dera no asandratra
Mihobia, mifalia
Fa Kristy Tompo teraka ho antsika.

2. lzahay zazakely maniry izao
Ho tena sakaiza tokoa.
Ka avy izahay mba hanaraka Anao,
Ry Jeso Mpanjaka Tsitoha.
Mitehafa, sns…

3. Izahay zazakely mangataka Anao
Hamory ny zaza rehetra,
Fa be ny ankizy miandry Anao
Ho Tompon’ny tany rehetra.
Mitehafa, sns…

797 – Ry Jeso Zaza masina

1. Ry Jeso Zaza masina
Mitsaok’Anao izahay
Atolotray ho hasina
Ny tenakelinay.

2. Mihoby ny fanahinay
Mihaona aminao;
Ry zanak’Andriamanitray,
Tsy misy toa Anao.

3. Ny zavatra anananay
Dia aoka ho Anao,
Ny tena sy fanahinay
Mba hasoavinao.

4. Ny lanitra nafoinao,
Nilaozanao ny Ray
Mba hanavao ny olonao
Ho velona indray.

796 – Henoy izany hira vao

1. Henoy izany hira vao
Ery an-danitra,
Fa teraka Jesosinao
Ka mahafinaritra.

2. Ianaronao matetika
Ny fitiavany,
Fa sambatra sy tretrika
Izay sakaizany.

3. Atero zava-manitra
Sy volamenam-po
Ilay Mpanjakan-danitra,
Mpanjakantsika koa.

4. Valio fitiavana
llay Zoky tia anao,
Ateronao fisaorana,
Derao fa Tomponao

795 – Jeso ô, Sakaizanay

1. Jeso ô, Sakaizanay
Ao an-danitra aminao
Misy zaza namanay
Mifaly ravo ao.

2. O, ry tia zaza ô!
Mba ampio izahay
Mba hifaly Aminao
Aty an-dasinay.

3. Raha mbola ho aty,
Mba tantano izahay,
Ka tariho ho ary,
Ry Zoky tia anay.

4. Ary raha tapitra
Ny anjaranay aty,
Raisonao mba hiditra
Ao aminao ary!

793 – Mba tsarovy re rankizy

1. Mba tsarovy re rankizy,
Ao am-piangonana,
:,:Tsy hatory, fa haniry
Mba ho zaza maotina.:,:

2. Tonga ao Jesosy Tompo,
Ka mihaino vavaka;
:,:Ny manatona hanompo
Raisiny ho zanaka.:,:

3. Mba hirao ny fiderana,
Ka ezaho mafy hoe:
:,: »Arahaba re, hosana!
Ry Mpanjaka lehibe! »:,:

4. Eny Tompontsika Izy,
Tompo tsara, mora fo,
:,:Ka hatoninao, rankizy,
O, hatòny eram-po!:,:

5. Aza mba misalasala,
Atolory izao ny fo,
:,:Fa ny Tomponao malala
Faly ta-hamindra fo:,:

6. Ry Mpamonjiko mahery,
Raiso aho ho Anao,
:,:Raiso ho anao irery,
Raiso re, ka anjakao!:,:

792 – Misy zaza marobe

1. Misy zaza marobe
Faly, sambatra ao ambony,
Ny devoly lozabe
Tsy mamely azy intsony,
Izy ireo dia zazakely
Tonga naman’ny anjely.

2. Mba irionao tokoa
Ny ho naman’izy ireny,
Indro, misy zava-tsoa
Ho anao raha tonga eny,
Dia afoizo sy ario
Izay rehetra tsy madio.

3. Tompo, raiso izahay
Mba ho zanakao handova
Lapa soa rahatrizay,
Lova tsy miovaova;
Manan-jara aoka izany
Izay rehetra tonga any.