26 – Jehovah tsy mba manadino

1. Jehovah tsy mba manadino
Ny mpanompony manoa,
Fa hotsarovany ireo mino
Nofidiny ho Azy koa.
Manerinerina ambony
Ny fiandrianany;
Kanefa kosa re ny fony
Mitsinjo izay ambany.

2. lzaho dia ravoravo
Ka midera Azy izao;
Fahasoavanao, ry Avo,
No namonjy hatrizao,
Fahavokisan’ny fanahy
Ary fisandratana
No hotantaninao ho ahy:
Ny foko mankalaza.

3. O, mifalia, ry Israely,
Fa vonjen’ny sandriny;
Mba matokia dia hahery,
Antsoy ny Anarany:
Mpanomponao ity mitalaho,
Ka henoy ny hatako,
O, ry Mahery, inty aho!
Ny sitrakao ekeko.

25 – Andriamanitra hendry

1. Andriamanitra hendry
:,: Loharanon-tsaina :,:
:,: manolo-pahendrena
‘Zay manaiky Azy:,:

2. Andriamanitra mahay
:,: Izao rehetra izao :,:
Ka Izy no akana saina
Hahahendry antsika :,:

3. Ary isika mila saina
:,: Hanitsy antsika, :,:
:,: Amin’ny fianarana
Hanarahana Azy :,:

4. lzy no ihavian’
:,: Ny soa rehetra :,:
:,: Hiainana mandrakizay,
Ka Izy no omen-tsaotra :,: