Archive

Archive for the ‘1.01 – Ny fiderana sy fisaorana azy’ Category

20 – Tsaroanay tokoa izao

July 20th, 2009 lova Comments off

1. Tsaroanay tokoa izao
Ny soa be noraisinay,
Tsy tapaka avy taminao
Ry Andriananaharinay.

2. Ny lasa itodihana
Dia mampiseho avokoa
Ny tanam-pitiavana
Miahy sady manasoa.

3. He! Koa ‘ty andronay ity,
Izay diavinay izao,
Dia voahodidina ery
Ny fitahiana aminao.

4. Dia tokinay tokoa izay
Fa mbola ho arovanao
Anio, ampitso, rahatrizay,
Izay miankina Aminao.

5. Ka dia mba velomy re
Aty anatinay ny fo
Hahay misaotra Anao anie,
Ry Rainay be famindram-po!

19 – Misaotra Anao zahay izao

July 20th, 2009 lova Comments off

1. Misaotra Anao zahay izao
Jehovah Ray!
Fa efa notohizanao
Ny andronay,
Ka tonga aty an-tranonao,
Indray zahay.

2. Misaotra Anao ‘zahay izao,
Ry Mpanome!
Ny soa avy aminao
Tsy lany re,
Fa isan-andro misy vao,
Ka maro be.

3. Misaotra Anao’zahay izao,
Ry Rainay soa!
Ny helokay navelanao,
Nefa iza moa
No mahalaza izay natao?
Fa be tokoa.

4. Misaotra Anao’zahay izao,
Ry mora fo!
Ny mafy tsy sakananao
Tsy mba hanjo,
Fa be ny fanirianao
Anay hadio.

5. Misaotra Anao’zahay izao,
Ry Tomponay!
Ao aminao an-danitra ao
Honenanay,
Fa misy fitsaharana ao
Mandrakizay.

18 – Ny feonay rehetra izao

July 20th, 2009 lova Comments off

1. Ny feonay rehetra izao
Dia entinay midera Anao,
Ry Andriananaharinay!
Na ambany aza izahay,.
:,: Dia tianao,:,:
Ry Andriananaharinay!

2. Ny andronay rehetra izao
Dia entinay manoà Anao,
Ry Tompo sy Mpanjakanay!
Satria izao dia fantatray
:,: Fa tianao :,:
Ry Tompo sy Mpanjakanay!

3.Ny hevitray rehetra izao
Dia enti-mankalaza Anao!
Ry Tompo Mpanasoa anay!
Mpitahy ny fanahinay,
:,: Fa tianao.:,:
Ry Tompo Mpanasoa anay!

4. Ny herinay rehetra izao
No iasanay ho Anao,
Ry Aronay sy Tanjakay!
Miezaka tokoa izahay
:,: Fa tianao :,:
Ry Aronay sy Tanjakay!

5. Rehefa alainao izahay,
Ka tapitra ny andronay,
Hamantana any aminao
Izahay ary an-danitrao,
:,: Fa tianao :,:
Hamantana any Aminao.

17 – Haja sy voninahitra

July 20th, 2009 lova Comments off

1. Haja sy voninahitra
Omena an’Andriamanitra,
Fa Izy ihany no mahefa
:,:Izay s it raky ny font’:,:

2. Masina, tsy azo haratsiana;
Mahery, tsy azo resena;
Marina, tsy azo laingaina;
Hendry tsy azo fitahina

3. Ny am-po toy ny am-bava;
Ny maizina toy ny mazava;
Ny takona toy ny miseho;
:,: Tsy misy àry tsy hitany.:,:

4.Tsy miova ny fombany;
Lehibe ka tsy oharina;
Tia, tsy azo arovana;
:,: Miantra tsy azo ferana :,:

5.Saotra amam-bavaka atao
Dera sy laza ho azy;
Izy no ivavahana,
:,: Fa anton’izao tontolo izao :,:

16 – Avia, ry vazantany ô!

July 20th, 2009 lova Comments off

1. Avia, ry vazantany ô!
Sy mponina ao an-danitra
Miraisa feo ka mihirà
Ny fanavotan-dehibe,
:,:Zay amonjena marobe
Dia vita re ka miderà.:,:

2. Avia, ry fiangonana ô!
Mba asandrato re ny feo
Hidera ny Mpanavotra;
Na aty an’efitra aza izao,
:,: Hirao am-pandehanana
Ny hira soan’i Ziona :,:

3. Avia, ry voavonjy ô!
Ka mifalia avokoa,
Fa afa-doza hianareo;
Miraisa feo ka mihirà
:,: Derao, derao fa mendrika
Ilay nanavotra anareo :,:

4. Avia, ry olom-bery ô!
Izay mandre ny teny soa
Hoe: “Manatòna Ahy ‘zao”;
Anio ny Tompo mba fidio
:,: Ny fitiavany valio;
Ny fiderany koa hirao :,:

15 – Avia hankalaza

July 20th, 2009 lova Comments off

1. Avia hankalaza
Ny Tompo lehibe;
Fa feno hery, haja
Jehovah Masina e
Andeha mitambara,
Ry vazan-tany o!
Miankohofa tsara
Hanaja Azy izao!

2. Ry Tomponay Tsitoha,
Indreto izahay,
Manondrika ny loha,
Midera Anao, ry Ray,
Ny fonay sy ny hery,
Fanahy, saina koa,
Omena Anao irery,
Ka anjakao tokoa.

3. Mpanjaka tena hendry
Hianao, ry Tomponay
Ka tena mahakendry
Izay hahasoa anay;
Na misy toa mangidy
Ny fitondranao, soa,
Ny saina sy safidy
Manaiky anao tokoa.

4. Manerana ny tany
lzao ny lazanao,
Ka be tsy hita lany
Ny voninahitrao;
Koa hira fiderana
Ventesinay izao:
Haleloia, Hosana!
Mba raiso ho Anao.

14 – O, ry tany rehetra avia izao

July 20th, 2009 lova Comments off

1. O, ry tany rehetra, avia izao
Hidera ny Tompo Mpanavotra anao
Ny Tompo miantso antsika hankao
Anatrehany mba hohasoaviny ao:

Fiv : Dera, laza, anie, Voninahi-dehibe,
Ho Anao, ry Tomponay Tsitoha o! Amen.

2. He, Jehovah miantra antsika izao
Ka dia manolotra antsika indray
Ny endriny mbamin’ny aina vaovao;
Eny, Izy manaiky tokoa ho Ray
Dera, laza, sns…

3. Asandrato ny feo hihoby hoe:
Isaorana mandrakizay Hianao
Ry Tompo mahery, Izay manome
Ho anay olom-bery ny aina vaovao:
Dera, laza, sns…

13 – Misaora ny Mpahary

July 20th, 2009 lova Comments off

1. Misaora ny Mpahary,
Tsarovinao ny asany!
Misaora ny Mpahary,
Derao ny soa vitany!
Ny helokao rehetra
Dia voavelany,
Fa tsy mba misy fetra Ny fitiavany,
Ny Zanany nafoiny
Mba ho Mpamonjinao,
Ka hianao nantsoiny
Handray ny aim-baovao.

2. Ny toky izay nomeny
Sy ny fahasoavana,
Maharitra ireny,
Tsy manam-pahataperana;
Avelany tokoa
Ny hatezerany,
Ka tsy mba hahavoa
Antsika olony,
Fa Izy mahalala
Ny toetsika aty,
Ka tena Ray mandala
Antsika zanany.

3. He, toy ny voninkazo
Ny ain’ny olombelona,
Tsy ela dia malazo
Ka tena mora levona,
Fa Jeso manan-kery
Hamoha fasana,
Tsy hisy izay ho very
Ny olo-masina;
Isika vovotany
No namboariny
Hiombom-panjakana
Sy laza aminy.

4. Misaora ny Mpahary,
Ry tany sy ry lanitra !
Ry zava-boahary,
Derao, Andriamanitra !
Ry irany mahery
Manao ny sitrany,
Ry zanany izay very,
Kanefa hitany,
Misaora Azy ary,
Fa heniky ny soa,
Misaora ny Mpahary,
O, ry fanahiko !

12 – Jehovah ô, derainay Hianao!

July 6th, 2009 lova Comments off

1. Jehovah ô, derainay Hianao!
Ankalazainay ny Anaranao!
:,:Izao rehetra izao manaja Anao,
Fa Rainay ho mandrakizay :,:

2. Mpanjakanay sy Tompo masina
Omenay eram-po ny hasina
:,:Izao rehetra izao mihoby Anao,
Fa Rainay ho mandrakizay :,:

3. Ry Masina manerinerina,
Jehovah be fitia sy marina!
:,:Izao rehetra izao misaotra Anao,
Fa Rainay ho mandrakizay :,:

4. Manerana izao tontolo izao
Ny laza sy ny voninahitrao
:,:Izao rehetra izao hanoa Anao,
Fa Rainay ho mandrakizay :,:

5. Andriananahary masina ô
Tanteraka ny fiandriananao
:,:Izao rehetra izao mitsaoka Anao,
Fa Rainay ho mandrakizay :,:

11 – Endrey ny voninahitrao

June 29th, 2009 lova Comments off

1. Endrey ny voninahitrao,
Ry Ray Tsitoha ô!
Endrey ny fiandriananao,
Hajainay eram-po!

2. Ny herinao, ny andronao,
Dia mandrakizay!
Ny lanitra mitsaoka Anao
Ry Andriamanitray!

3. Ny tavanao mamiratra
Ny fahamasinanao
Sy hery tapitr’ohatra,
Ny fahendrenao soa.

4. Endrey, mahatahotra aho izao
Ry Tompo masina ô!
Mangovitra eo imasonao
Sao dia lavinao

5. Na dia ambony Hianao,
Dia nidina amiko
Nitondra fihavanana,
Ka dia mba tiako.

6. Koa aiza re no misy ray,
Mitovy aminao;
Mikarakara tsara anay
Izay natsanganao

7. O, mahagaga Hianao,
Ry Tompo tia anay,
Ny fonay dia hatoky Anao
Ambara-podinay.