749 – Ny taom-baovao dia tonga indray

1. Ny taom-baovao dia tonga indray
Ho fiantsoanao anay
Mba hanolaranay Anao
Ny tenanay voavatrao.

2. Fa maro be, ry Tomponay!
Ny zava-tsoa nomena anay
Tamin’izao taon-dasa izao,
Izay isaoranay Anao.

3. Ny mafy izay manjo anay,
Tsy tonga foana aminay,
Fa mba ho fitahianao
Izay miankina aminao.

4. Ka enga anie ny otanay,
Izay mitambesatra aminay,
No hibebahanay izao,
Hanaovanay ny sitrakao.

5. Ny taom-baovao diavinay,
Ny taona teo tafitanay,
Ka dia ny fitarihanao
No mba irinay aminao.

748 – Havaozy Tompo ô!

1. Havaozy Tompo ô!
Izao rehetra izao
Ka aoka mba ho hita ao
Ny voninahitrao
Ry Tompo Mpanasoa.
Levony avokoa.
Ho fongotra tsy hisy re
Ny ratsy marobe.

2. Izao taona vaovao
Diavinay izao
Ho fanavaozan-dehibe
Ny tenanay anie!
Ka ny fiainanay
Izay ratsy hatrizay;
Ovay hatramin’ny anio
Ho tsara sy madio.

3. Havaozy , Tompo ô!
Ny Fiangonanao
O! akambano ho iray,
Hiray mandrakizay.
Ry Tompo be fitia,
Tongava, mamangia;
Mba tanteraho aminay
Ny fanavaozanao.

747 – Haleloia! Sambasamba!

1. Haleloia! Sambasamba!
Hitanay ny taom-baovao;
Avy izahay, Jehovah!
Mba hifaly aminao:
Fihirana no atao,
Saotra vavaka
No atolotray Anao,
Ry Mpamelona!

Fiv : Haleloia! Sambasamba!
Faly izahay izao;
Haleloia! Sambasamba!
Hitanay ny taom-baovao.

2. Lasana ny andro maro,
Be ny zavatra natao,
Na ny mety, na ny diso,
Samy efa fantatrao;
Aoka anie ny tsininay
Hovonoinao,
Fa ny mety vitanay
Mba haharitra:
Haleloia, sns…

3. Ka ny taom-baovao, Jehovah!
Aoka hanomezanao
Fahendrena ny mpitondra,
Hahasoa ny olonao;
Ka ny Fiangonana
Hamasinonao
Mba handroso marina
Hahalala Anao:
Haleloia, sns…

4. Mitsingerina ny taona,
Fohy andro izahay,
Vetivety dia hihaona
Aminao, ry Tomponay!
Enga ka ho hitanay
Ao an-danitra
Ny Sabata tsara izay
Tsy ho tapitra:
Haleloia, sns…

746 – Mifalia ry sakaiza !

1. Mifalia ry sakaiza
Fa nahazo taom-baovao ;
Zanahary no mitaiza
Ka isaory sy hajao !
Mihirà sy mihobia,
Jeso Tompo no derao ;
Miravoa, mifalia,
Velona aina ianao !

Fiv : Mifalia ry sakaiza
Fa nahazo taom-baovao ;
Zanahary no mitaiza
Ka isaory sy hajao !

2. Izao no andro mampifaly,
Andro lehibe anio,
Dia hira mahafaly
No hatao ankehitrio ;
Zanahary no mitàna,
Mifalia ianao !
Tonon-kira hoe : Hosana
No hatao aty izao
Mifalia, sns…

3. He Hosana, he Hosana,
Ho Anao ry Tompo ô !
Fihirana, fiderana
No asandratray izao !
Dera, saotra, hery, laza,
Ho Anao Mpanjakanay !
Ho Anao anie ny haja,
Raiso ho Anao izao !
Mifalia, sns…

745 – Henoy ry Jeso Tompo

1. Henoy ry Jeso Tompo:
Ny fitarainanay,
Fa amin’alahelo
No ipetrahanay;
Ny fonay mba maniry
Hitovy aminao,
Kanefa be ny ratsy
Misakana anay.

2. Nateraky ny nofo,
Ka nofo izahay;
Nanompo tompo ratsy,
Ka very hatrizay!
Ny razanay nanota
Ka nodimbiasanay:
Ry Tomponay Tsitoha,
Havaozy izahay!

3. Ny asam-pamonjena
Natolotra Anao;
Tsy hisy tsy ho vita
Izay natombokao;,
Raho resy avokoa
Ny fahavalonao,
Hiposaka tokoa
Ny tena taom-baovao!

4. Ny tavanao malala,
Ry Jeso Tomponay,
Ho tena masoandro,
Izay hifalianay.
Ry nosatrohan-tsilo,
Faingàna Hianao,
Hanangana ny maty,
Hitondra aim-baovao!

744 – He! Ny andro mora lasa

1. He! Ny andro mora lasa,
O, ry mpivahiny ô!
Tsy ho ela, kely sisa,
Dia hody hianao!
Tsy mba fantatrao akory,
Izay hahafatesanao:
Koa aza mba matory,
Sao ho very hianao.

2. Miomàna, ry sakaiza,
Aza mba tamàna aty,
Fa ny eto tsy mateza,
Miaingà mba ho ary!
Ao ny Tomponao, Jesosy,
Hampihaingo tsara anao
Fa ny rany no mamotsy
Ny akanjo ho anao.

743 – Ny andronay mandala

1. Ny andronay mandala,
Lany foana taminay;
Ny mandrakizay nohatoninay,
Nefa adala izahay,
Ry Mpanota, ifony ny helokao.
Fa Jeso tia anao.
Mba tsy ho very mandrakizay,
Avoty ny ainao.

2. Ny fiadanan-dratsy
No mba manadala anay
Hijanona foana aty izao
Hanadino ny Rainay.
Mba hevero fa olon-ko fatye!
Tsy ela no ety;
Tsarovinao fa hody tokoa;
Antsoiny hianao.

3. Ny taninay havela,
Mpivahiny izahay;
Tsy maintsy hiainga hiala aty,
Any no hodianay.
Tsara sady mazava ny tranonao,
Miomàna, fa hankao;
Tazano, fa mivoha izao:
Midira hianao.

742 – Zanahary no mahela

1. Zanahary no mahela
Izay fe-toana iainanay,
Ka miantra sy mamela
Tombon’andro ho anay
:,: Nefa vitsy, :,:
No ho andronay aty.

2. Betsaka ny andro lany
Nanaranam-po izao ;
Misy feo manontany :
« Vita va ny asanao ? »
:,: Miezaha,:,:
Avy re ny alim-be.

3. Mamindrà fo, Zanahary
Mamelà ny helokay !
Tompo, aza mba manary,
‘Ndrao ho very izahay ;
:,: Mihainoa :,:
Ny mifona aminao !

4. Ry Jehovah manomeza
Izay ilainay olonao ;
Mitahia, mampahereza,
Mba ho tonga ao aminao !
:,: Ka hahazo :,:
Satro-boninahitra ao.

741 – Jehovah Tompo ô!

1. Jehovah Tompo ô!
Tahio sy hatsarao
Ny taninay,
Tahio ny namanay
Ho tia ny teninao,
Dia mba hazavao
Ny nosinay.

2. Ovay ny fombanay,
Ho foin’ny taninay
Ny sampiny;
Omeo fo marina
Izao rehetra izao,
Ka dia mba iantrao
Ny nosinay.

3. Jehovah Tompo ô!
Tahio ho olonao
Ny zanakay;
Tahio ho zanakao,
Tahio ho marina,
Ka dia ho taninao
Ny nosinay.

4. Izay mpitondra anay
Tahio ho tia Anao,
Jehovah ô!
Omeo sai-marina
Hanao ny sitrakao,
Ka ampanompoy Anao
Ny nosinay.

740 – He! Ny tany manontolo

1. He! Ny tany manontolo
Mba ambinonao izao,
Ry Jeso Mpanolokolo,
Tena Tompo tsy mandao.
Mba vontosy andon’aina
Mba ho lonaka tokoa,
Tsy ho tany karankaina
Fa ho vokatra tokoa.

2. Mba tahio ny fanjakana
Izay mitondra anay izao
Ireo mpitana ny lalàna
Mba omeo ny hevitrao.
Ny mpifehy isan-toko,
Ny mpikarakara izao
Anehoy ilay vokovoko
Mba hitondra marina ao.

3. Ny komity sy vaomiera
Raha miady hevitra ao
Tsy hitompo hevi-tena
Fa handray ny sitrakao.
Ka ny didinao hatrany
No mba hijoroany izao
Fa ny tetiky ny tany
Dia ho laviny tokoa.

4. Ry Mpanjakan’ny mpanjaka,
Miasà mahery izao
Ireo mpitondra samihafa
Mba toroy ny sitrakao.
Ireo mpanjaka an-tany hafa,
Revon-diadema koa,
Mba sitony re hitafa
Aminao ry Tompo soa.