726 – Efa hariva Jeso tia!

1. Efa hariva Jeso tia!
Tomoera aminay;
Ny fanahinay tahio,
Fa hatory izahay.

2. Fa ny helokay ekenay,
Mahavonjy Hianao;
Ny manjo anay lazainay,
Fa miantra ny fonao,

3. Alina maharitra ela,
Aizi-mampivadi-po,
Fa ny olona fidinao
Tsy mba takona aminao.

4. Hianao no mitahiry
Ny miankina aminao
Voahididin’ny anjely
Ny mialoka aminao.

5. Raha anio no tapitra andro
Izahay mpanomponao,
Aoka izahay hifoha
Ao an-dapaso anao.

725 – Alina ny andro

1. Alina ny andro,
Ka efa mba hatory
Ny masonay;
Hianao, Jehovah ô!
‘Zay tsy mety sasatra,
:,: No aronay.:,:

2. Lasa ny mazava,
Ka ny masoandro
Tsy hitanay:
Tsy matahotra izahay,
Hianao an-danitra
:,:Mahita anay.:,:

3. Fa ny kintana eny,
Efa manazava
Ny dianay;
Koa tsy nafoinao,
Fa nasehonao ireo
:,:Ho tokinay.:,:

4. Alina sy andro
Samy mba manaiky
Ny tendrinao;
Tonga re nY maizina,
Nefa: tsy ilaozanao
:,:Ny olonao.:.:

5. Eto ny mazava
Dia manam-petra;
Fa ao aminao;
Tsy mba misy alina,
Fa mamirapiratra
:,’:Ny tavanao.:,:

724 – Mpamonjy Masoandronay!

1. Mpamonjy Masoandronay!
Fahazavan’ny alinay,
Ny zavon-tany mba savao
Tsy hanakonany Anao.

2. Tontolo andro Hianao
No anton’ny iainanay;
Raho alina, mombà anay,
Ny faty tsy ho tahotray.

3. Ny aizina mba hazavao,
Tarihonao ny lalana,
Halehanay an’efitra,
Ho tonga any Aminao.

4. Izay marary mba tsaboy,
Ny ory aza afoinao,
Ho toy ny torin-jaza anie
Ny fiadanany izao.

5. Tahio ny hifohazanay
Hanaovanay ny sitrakao
Arnbara-pahatapitra
Ny andro ivelomanay.

6. Raha mby aminao izahay,
Hahita fiadanana,
Fa ao tsy misy alina,
Hianao no Masoandronay.

723 – He, alina indray izao

1. He, alina indray izao,
Jesosy Tompo ô,
Ka aoka ny mpanomponao
:,: Homban’ny elatrao.:,:

2. Fa iza no hahita anay,
Raho azon-doza izao,
Kanefa kosa aronay
:,: Ireo anjelinao :,:

3. Ka raha hatory izahay,
Ry Rainay tsara ô,
Ny tena sy fanahinay
:,: Dia mba arovinao :,:

4. Ka raha aposakao indray
Ny masoandronao,
Fohazy tsara izahay
:,: Hisaoranay anao :,:

722 – He, alina ny andro

1. He, alina ny andro,
Ka mba esorinao;
Ny fahotako maro,
Mba tsy ho hitanao:
Reseo ny mpamely
Ny zanakao, ry Ray;
Iraho ny anjely
Hiambina anay.

2. Raha maizina ny tany,
Ny andro tapitra,
Tsaroanay ihany
Ny fasa-maizina;
Arovy lalandava
Izahay, ry Tomponay,
Ka aoka ho mazava
Ny hitsangananay.

721 – Ny andro efa lany

1. Ny andro efa lany,
Mangina izao ny tany
Miala sasatra:
Heveronao ry saina,
Fa mendrika ho deraina
Ny Raiko ao an-danitra.

2. Na maty masoandro,
Ka alina ny andro,
Tsy mampaninona,
Fa Jeso, Izay Sakaiza,
Dia ao fa tsy mankaiza,
Ho tena Masoandroko.

3. Hatory izao ny maso;
Ry Tompo, mba andraso
Ny ondrikelinao;
Ny tena sy fanahy
Sy izay rehetra ahy
Atolatro harovanao.

720 – Lany indray ny andro

1. Lany indray ny andro;
Hianao, ry Ray,
No ho masoandro
Sy ampinganay.

2. Be ny zava-tsoa
Azo taminao:
Ka misaotra koa
Izahay izao,

3. Andronay mandala
Toy ny rivotra:
Be ny fahavalo
Mampitahotra.

4. Jeso ô, Mpiandry,
Izaho ondrinao,
Aoka re mba handry
Eo an-tratranao.

5. Mpivahiny ihany
Izahay aty,
Ka mba te-ho any
Aminao ary.

719 – Efa lasan-davitra

1. Efa lasan-davitra
Ka hariva izao ny andro;
Hianao no Masoandro,
Ry Andriamanitra.
Mba arovinao ny aiko,
Fa atolotro Anao,
Ampidiro ao am-poko
Izao ny fiadanana!

2. Raiso ny fisaorako,
Ka tondrahy ranon’aina
Ny fanahy aman-tsaina,
Mba ho velona izao.
Dia hamoa voa tsara
Amiko ny teninao,
Ka ho tiako hambara
Ny fahasoavanao.

3. Ry Andriamanitra ô!
Hitanao ny fahotako,
Fantatrao ny fahosako;
Mamindrà fo amiko;
Izaho tsy misalasala
Mba hanatona Anao,
Fa ny Zanakao malala
Maty noho ny otako,

4. Izaho ta-hatory izao
Fa mba sasatra niasa
Tsy heveriko ny lasa,
Fa apetraka aminao
Aoka aho mba hahazo
Fitsaharana izao;
Raha maraina mba fohazy,
Dia hankalaza Anao.

5. Kintan’i Jakoba ô,
Sady Masoandron’aina,
Hazavao ny fo sy saina,
Mba tsy hatahorako
Ny mpanimba sy mpandoza,
Liona mierona,
Izay minia hampidi-doza
Andro aman’alina.

6. Arosoy ny teninao,
Hazavao ny firenena,
Mba ho samy hanantena
Famonjena aminao;
Ka ny manam-pahefana
Aoka hotarihinao,
Mba hitondra fanjakana
Araka ny sitrakao.

7. Fantatrao, Jesosy Ô,
Izay rehetra mitaraina
Ka miandry ny maraina
Sy ny fahasitranana;
Ny kamboty sy mahantra
Aoka hotsarovanao;
Ry Sakaizanay Mpiantra,
Iantrao ny olonao.

718 – He torimaso mamy

1. He torimaso mamy
No atolory ahy
Ry Raiko mpiandany
Sy herin’ny fanahy
Ny sandrinao mahery
No hiampofo ahy
Ny masonao mijery
Manala ahiahy.

2. Ny otako androany
Koseho, Raiko ô!
‘Reo ory mitomany
Ampaherezonao.
Ny havako rehetra
Sy ny sakaiza koa,
Tahio tsy hanjoretra
Ampifalio tokoa.

3. Ireo sahiran-tsaina
Sy mandry fotsy izao
Ny kivy, mitaraina
Vonjeo, ry Tompo ô!
Ireo marary maro
Sy ny mpitsabo koa,
Tahio, ry Mpiaro,
Arovy tsy ho voa.

4. Hianao no tokinay
Ka dia hatory izao
Ireto nofonay
Am-pelatananao.
Sakano re ny ratsy
Mba tsy hamely izao
Ry jeso Mpiambina ahy
Sy voninahitra ô!