717 – Andeha raha maraina

1. Andeha raha maraina,
Raho atoandro koa.
Andeha raha hariva,
Hivavaka tokoa;
Fa marina no ento.
Ario ny tahotrao,
Miondreha ao an-trano.
Ka mivavaha ao.

2. Tsarovy ry sakaiza,
Ny havan-tianao;
Raho misy fahavalo,
Mifona ho azy koa;
Ka dia mangataha
Ny soa ho anao,
Jesosy, ‘Lay Mpamonjy,
Alao ho tokinao.

3. Na tsy irery aza,
Fa be ny olona ao,
Ka misy hevi-tsara
Miposaka ao am-po.
Ny hataka mangina
Voaeritreritrao
Ho ren’ny Rainao tia,
Jehovah Tomponao.

4. Mba manatòna Azy
Raha azon’ny manjo;
Tsarovy koa raha faly
Hisaotra ao am-po;
Tsy misy hafaliana
‘Zay mamy toy izao;
Ny fahazoantsika
Mivavaka aminy.

715 – Tonga ny maraina

1. Tonga ny maraina,
Dimbin’alina,
Ka ny Tompon’aina
No isaorana.

2. Raha mbola nandry
Aho, Tompo ô,
Hianao Mpiandry
Dia aroko.

3. Tano sy ampio
Ny madinikao,
Sao hanota anio,
Ka handao Anao.

4. Aoka ny anjara
Fanompoako
Mba ho vita tsara
Ka ho sitrakao.

5. Ary raha lany
Ny fotoako,
Izaho hody any
Anatrehanao.

714 – Jehovah Zanahary

1. Jehovah Zanahary,
Izahay midera Anao;
Ny alina nanjary,
Ho firaketanao.
Maraina izao ny andro,
Ka lazao ny maizina,
Savao, ry Masoandro,
Izay Iahoriana.

2. Ry kintan’ny maraina,
Jesosy Havanay,
Arovinao ny aina,
Tahio izahay;
Ny asanay anio
Mba hasoavinao.
Ny dianay tariho
Ho any aminao.

713 – Miposaka indray ny masoandro

1. Miposaka indray ny masoandro
Ny ali-maizim-be dia tonga andro.
Ry foko, mba derao ny Ray Tsitoha,
Ka dia andrandrao,
Derao, ankalazao
Ny Rainao soa.

2. Ny loza marobe aty an-tany
Dia niarovany anao izany,
Ka zava-mahafaly no omeny,
Dia fiarovana
Sy fitiavana
Tsy hita lany.

3. Ry Masoandronay, mba mitariha
Ny dianay anio mba tsy hania;
Mahery Hianao ka maharara
Ny fahavalonay
Tsy hahataona anay
Handàny tsara.

4. Ny zavatra manjo tsy mampanahy
Napetraka aminao ny ahiahy,
Ka dia matoky aho, ry Tsitoha!
Omeo ny zanakao
Izay heverinao
Ho mahasoa.