727 – Andriananahary nikarakara anay

1. Andriananahary
Nikarakara anay,
Ka nampitsiry vary
Ho fivelomanay!
Ny haninay tahio
Ho tonga tanjakay,
Ny hevitray tariho
Mba hiadananay.

2. Ry Rainay ao ambony,
Misaotra Anao izahay,
Fa zava-tsoa itony
Izay nohaninay.
Ny zavatra rehetra
Dia manantena Anao,
Fa tsy mba misy fetra
Ny fitiavanao.