710 – Nakambanao, ry Tompo ô!

1. Nakambanao, ry Tompo ô!
Adama sy Eva nankatò
Ny fakamparam-bady.
Tahio sy vimbinonao
Ireto anatrehanao
Manaiky ho mpivady.
Hahay handray
Ny anjara izay hihatra
Izy roa,
Ary hifanisy soa.

2. Dia nifanaiky izy, izao;
Ry Tompo ô! Vimbinonao
Mba ho iray tokoa;
Ny fony mba tarihonao
Hanaraka ny didinao
Nomenao azy roa;
Izao, handao
Ray sy reny, ka ny teny
Nolazainy
Enga anie ka tsy hovany

709 – Jehovah ô, mba mihainoa!

1. Jehovah ô, mba mihainoa!
Indreo, misy olon-droa izao,
‘Zay manam-pikasana soa
Hanorin-tokantrano vao:
O! tahio, O! tahio,
Mba ho tokantrano soa madio!

Fiv : O! tahio, O! tahio,
Mba ho tokantrano soa!

2. Dia angatahinay, Ry Ray
Ny fitahianao ho azy ireo
Ho nofo sy fanahy iray
Ka hifanaja hatrizao.
O! tahio, sns…

3. Fenoy ny fiadananao
Ny tokantranon’izy ireo
Ka mba hamirapiratra ao
Ny fivavahana Aminao.
O! tahio, sns…

4. Tahio ireo, ry Tompo soa,
Mba ho mpivady marina,
Hitana sy hanaja koa,
Ny fanekena masina.
O! tahio, sns…

5. Tahio, hifampitantana
Mandritra ny fiainany,
Ka dia ny fahafatesana
No fetra isarahany.
O! tahio, sns…

708 – Ry Jehovah, Ray Kiady

1. Ry Jehovah, Ray Kiady,
Sy mpikarakara anay
Ka nitahy ny mpivady,
Tao Edena fahizay.
Indro misy tonga koa
Eto anatrehanao,
Manam-pikasana soa,
Ho mpivady hatrizao.

2. Mba tahia, ry Ray mpiahy,
Ny firaisany izao,
Hifanaraka am-panahy
Sy hiankina aminao.
Ny tsodranonao fahiny
Angatahinay indray,
Mba hatao ankehitriny
Hahatò ny hatakay!

3. Raha omenao zaza izy,
Dia mba ampio re,
Hitaizany ny ankizy
Amim-pahendrena be;
Aza avela ho irery
Raha tratry ny manjo,
Fa tafionao ny hery
Mahatanjaka ny fo.

4. Raha ao ny andro tony
Mila haharenoka,
Dia taironao ny fony,
Ry Mpamela heloka,
Raha tapitra ny taona
Efa voafetranao,
Enga ka ho tafahaona
Ao an-danitra aminao.

707 – Ry Jesosy be fitia

1. Ry Jesosy be fitia,
Manatreha, manampia
Ny mpanomponao izao
Izay mivavaka aminao
Filaliana madio
No omeo anay anio.

2. ‘Ndreo ny havanay jereo,
Mba ho soa anie ireo:
Tanan-droa mifandray,
Nofo roa tonga iray,
Mifaniry soa tokoa,
Mifanampy, mifanoa.

3. ‘Lay tsodrano hatrizay
No omeo ireo havanay;
Mba ho maro fara anie,
Hanam-panambinana,
Feno fiadanana
Noho ny fitahianao.

4. Raha ory mba vangio,
Mitaraina, mba valio:
Mitoera aminy
Ao an-tokantranony,
Hamasino, hafanao
Ny fitiavany Anao.

706 – Izao manatrika Anao

1. Izao manatrika Anao,
Ry Jesosy izahay,
Indro tokantrano vao
No haorina indray.
Izahay mangataka
Ny tsodranonao omeo,
Ka avia hanapaka
Ny fiainan’izy ireo.

2. Ho Kristiana velona
Anie ny zanany,
Ho vavolombelona
Fa Anao ny tranony
Aoka mba hamiratra
Ny Filazantsaranao,
Velona hanaraka
Ny fonay ka hazavao

3. Ka ny fiangonana
Hanompoanay Anao,
Hanana olom-banona
Faly ny hiasa ao.
Antenainay marina,
Fa Hianao hanohana
Izay firaisa-masina,
Hisy fahasoavana.

705 – Ry Tompo Zanaharinay

1. Ry Tompo Zanaharinay!
Jereo ny fivorianay,
Izao lampakaram-bady izao
Tahio sy hamasinonao.

2. Ireo zatovo roa ireo
Manketo anatrehanao,
Fa mifanaiky izy izao
Hivady sy hifanasoa.

3. Mangataka aminao izahay
Hitahy ireo havanay,
Raha ory, mba ononinao;
Raha faly, aza ilaozanao.

4. Arovinao ny tenany,
Tsinjovy ny taranany;
Ho tsara fara anie ireo,
Ho ravoravo toy izao.

5. Ny fifalianay anio
Hitohy hatrary anie!
Ity andro lehibe ity
Ho santatry ny soa ary.

704 – Ry olon-kanao fanekena masina

1. Ry olon-kanao fanekena masina,
Misaora ny Tompo, fa ny sitrapony
No mampikambana
Amim-pitiavana,
Ka dia tsy olon-kisaraka intsony:
Ny tany Edena tsahivina indray.

2. Ny fahamarinan’Andriamanitra
No haingo manendrika ny tokantrano
Ho toy ny lanitra Mamirapiratra.
Ry mpivady marina, Kristy no tano
Handamina ny tokantrano vaovao.

3. Ny fahasoavan’Andriamanitra
No andry manohana ny tokantrano.
Ka mampisandratra
Ny te-ho sambatra,
Izay ankohonanareo atsangano
Hidera ny famindrampo lehibe.

4. Ny fanaky ny tokantrano masina
Manoatra be noho ny volamena:
Ny fivavahana
Sy ny fifonana,
Fisaorana sy fiderana homena
Marain-tsy hariva ny Mpamonjy e!

5. Jehovah Mpitana ny fanekena ô!
Tahio ny toky nomeny ho mafy,
Ho masina sy to,
Ho marina am-po:
Ka izy handresy izay ta-handrafy;
Ho azy ny lova ho mandrakizay.

703 – Ry Jehovah Ray Tsitoha

1. Ry Jehovah Ray Tsitoha!
Vory eto izahay
Ray hatramin’ny taloha
Mihainoa ny vavakay
:,: Mitsangàna,:,:
Eto afovoanay.

2. Andro fampakaram-‘bady,
Fifaliam-be izao;
Hianao no mampivady
Raha voatendrinao;
:,: Vady hendry :,:
Lova avy aminao.

3. Ry Jehovah Ray malala!
Mba tezao ireo ho soa,
Samy tsy hisalasala,
Fa hifankatia tokoa;
:,: Hamasino :,:
Mba ho olonao ireo.

4.Ho fanahy mifandanja
Sady tsy ho toy ny roa,
Ho mpivady mifanaja
Sady mifamaly soa;
:,: Akambano :,:
Mba ho fo iray tokoa.