712 – Raha tsy Jehovah no manao ny trano

1. Raha tsy Jehovah
No manao ny trano,
Dia miasa foana
Ny mpanorina;
Raha tsy Jehovah
No miambina azy
Miari-tory foana
Ny mpiambina.

2. Nahavita trano
Ny mpianakavy,
Ka mifaly, ravo
Nahatsangana.
Nefa koa tsaroana
Fa Jehovah Tompo,
Feno fitahiana,
No nanambina.

3. Mankasitraka aho
Ary koa misaotra
An’Ilay Nahary
Be fitiavana.
Izay rehetra ahy
Dia nomen’ny Ray
Eny, ity trano
Dia avy taminy

4. Tompo ô! Tahio
Izay miditra ato
Dia arovy koa
Izay mivoaka:
Mba monena ato,
Miaraka aminay
Anjakao ny trano,
Hiadananay.

711 – Tompo ô, endrey ny fitahiana

1. Tompo ô, endrey ny fitahiana
Izay natodrakao ny zanakao.
Vory eto, feno fifaliana,
Ampoky ny fahasoavanao.
Izay rehetra nikelezan’aina
Dia nomban’ny fitantananao;
Vonona avokoa izay nilaina,
Tsy mba lany ny harenanao

2. Indro tranonovitaina
Hanasoavana taranaka,
Hitaizàna, hanolokoloana
Ireo tanora halain-tahaka.
Izay voafafy, antenaina
Mba hamokatra tsy tapaka;
Dia ho vanona ny firenena,
Ka hitombo, hisandrahaka

3. Izany re, ry Tompo, no finoana
Tananay, ka mba herezonao
Izahay handroso tsy hivaona
Eo ambany fiarovanao.
Ka ny fangataham-pitahiana,
Tompo ô! Akarina aminao
Ny Anaranao no iaingàna.
Hoderaina ny Anaranao!