741 – Jehovah Tompo ô!

1. Jehovah Tompo ô!
Tahio sy hatsarao
Ny taninay,
Tahio ny namanay
Ho tia ny teninao,
Dia mba hazavao
Ny nosinay.

2. Ovay ny fombanay,
Ho foin’ny taninay
Ny sampiny;
Omeo fo marina
Izao rehetra izao,
Ka dia mba iantrao
Ny nosinay.

3. Jehovah Tompo ô!
Tahio ho olonao
Ny zanakay;
Tahio ho zanakao,
Tahio ho marina,
Ka dia ho taninao
Ny nosinay.

4. Izay mpitondra anay
Tahio ho tia Anao,
Jehovah ô!
Omeo sai-marina
Hanao ny sitrakao,
Ka ampanompoy Anao
Ny nosinay.

740 – He! Ny tany manontolo

1. He! Ny tany manontolo
Mba ambinonao izao,
Ry Jeso Mpanolokolo,
Tena Tompo tsy mandao.
Mba vontosy andon’aina
Mba ho lonaka tokoa,
Tsy ho tany karankaina
Fa ho vokatra tokoa.

2. Mba tahio ny fanjakana
Izay mitondra anay izao
Ireo mpitana ny lalàna
Mba omeo ny hevitrao.
Ny mpifehy isan-toko,
Ny mpikarakara izao
Anehoy ilay vokovoko
Mba hitondra marina ao.

3. Ny komity sy vaomiera
Raha miady hevitra ao
Tsy hitompo hevi-tena
Fa handray ny sitrakao.
Ka ny didinao hatrany
No mba hijoroany izao
Fa ny tetiky ny tany
Dia ho laviny tokoa.

4. Ry Mpanjakan’ny mpanjaka,
Miasà mahery izao
Ireo mpitondra samihafa
Mba toroy ny sitrakao.
Ireo mpanjaka an-tany hafa,
Revon-diadema koa,
Mba sitony re hitafa
Aminao ry Tompo soa.

739 – Ry Jehovah Tompon’aina,

1. Ry Jehovah Tompon’aina,
O, tahio ny taninay!
Mba fohazy, re, ny saina
Sy fanahinay hahay
Mankatô sy hankalaza
Ny Anaranao,
Mba ho fantatray mazava
Ny fitiavanao.

2. Iantraonao, ry Jesosy
Hazavao ny Nosinay,
Ka ny fon’ny Malagasy
Diovy re ka mba ovay,
Tsy hanompo sampy intsony
Fa hazava re,
Ka ho sitraky ny fony
Ny ho masina e!

3. O, tahio ny faritany
Mba handray ny teninao,
Na ambony na ambany
Mba tsarovy, iantrao!
Ny mpitory mba iraho,
Ka hiely anie,
Omeo hery, hatanjaho
Hahavita be!

4.O, Jehovah Ray Mahery,
Sakambino izahay,
Eny, Hianao irery
No mba hany tokinay;
Ka ny ratsy mba sakano
Tsy hanimba anay,
Fa ny tsara no tohano
Hiadananay.

5. Ao koa ny mpanao lalàna
Mba toroy ny marina,
Ireo manam-pahefana
Omeonao sain-dalina!
Ka ny tany mba ampio
Handry fahizay!
O, arovy sy tahio
Ny mpitondra anay!

6. Indreo ny isan-tokantrano
Mba tsidiho, hafanao,
Ka ny zanakay tantano
Sy trotroy ho olonao!
Eny, Tompo, mandrosoa,
Anjakao izahay
Ka onenonao tokoa
Izao ny Nosinay!

738 – Havaozy, Tompo ô,

1. Havaozy, Tompo ô,
Ny endriky ny tany,
Ny voninahitrao hatao
Fahazavany,
Izao aizim-pito izao
Levoninao tokoa,
Izao ratsy be izao
:,: Esory avokoa :,:

2. Havaozy, Tompo ô,
Ny endriky ny t any,
Reseo ny rafinao,
Ravao ny fanjakany,
Ampanjakao tokoa
Jesosy Zanakao,
Izao rehetra izao
:,: Hanao ny sitrakao :,:

3. Havaozy, Tompo ô,
Ny endriky ny tany,
Koa averenonao indray
Ny hatsarany;
Fanahy Mpanavao,
Ny famelomanao
Tadiavinao izao;
:,: Vitao ny asanao :,:

4. Havaozy Tompo ô,
Ny endriky ny tany,
Ny olona izao maniry
Indrindra izany.
Henoy ny sentonay
Miakatra Aminao,
Ka hafainganonao
:,: Ny fanavaozanao.:,:

737 – Ry Ray, tahionao i Madagasikara

1. Ry Ray, tahionao
i Madagasikara
Izay nohasoavinao,
Ka voakarakara,
Ka nandefasanao
Ny teny masinao,
Dia angatahanay
:,: Ny fitahianao :,:

2. Ny fiangonanao,
ry Rain’ny fahazavana,
Izay natsanganao hatao
Fahazavana
Ka nodidianao
Hanao ny asanao,
Dia angatahanay
:,: Ny fitahianao :,:

3. Ny asa maro be sy izay
Fanaovan-tsoa
Miorina eto izao,
Ka sitrakao tokoa;
Ny fanjakana koa,
Izay natsanganao,
Dia angatahanay
:,: Ny fitahianao :,:

4. Ny tokatranonay,
Ny tena sy fanahy,
Ny fivelomanay,
Ry Rainay Izay Mpiahy,
Ireo rehetra ireo
Dia iantsoana Anao.
Ka angatahanay
:,: Ny fitahianao :,:

736 – Mba tahionao, ry Jehovah!

1. Mba tahionao, ry Jehovah!
Ny tanindrazanay,
Ho tsara sy hiova,
Hambininao anie!
Ho tany izay mandroso
Sy sambatra tokoa,
Ka hanjakan’i Jeso
Mpamonjy Tompo soa.

2. Mba tahio ny firenena
Izay monina eto izao,
Handroso hihatsara,
Hatahotra Anao,
Handao ny fomba ratsy
Izay manadala re;
Hanary koa ny sampy
Mampidi-doza è!

3. Mba tahionao ny mpitondra
Nampanapahinao,
Arovy isan’andro
Mba tsy handà Anao;
Tariho lalandava
Hiankina Aminao;
Omeo fahendrena
Hanao ny sitrakao.

4. Mba tahio koa, ry Jehovah!
Ny fiangonanao
Handroso lalandava
Homban’ny herinao,
Hanerana ny tany
Itoeranay izao,
Ka isam-bazan-tany
Hiondrika Aminao

735 – Arovy, Ry Tsitoha

1. Arovy, Ry Tsitoha,
Ny Tanindrazanay,
Vimbino avokoa
Izay mitondra anay;
Ity Nosy ity tahio,
Mba handry fahizay;
Tantano sy ampio,
Handroso izahay!

Fiv : Ny tsara mba tohano,
Ry Zanaharinay,
Ny ratsy mba sakano,
Mba hiadananay.

2. Tahio ny mpitsara
Nampanapahinao,
Hahay hitondra tsara
Izao olonao izao;
Ny lehibe rehetra
Vangio sy hafanao,
Mba hanam-po miantra,
Hatahotra Anao.
Ny tsara mba tohano, sns…

734 – Zanahary ô, tahio ny tanindrazanay !

1. Zanahary ô, tahio
Ny tanindrazanay
Handroso lalandava,
Handry fahizay !
Enga anie hanjaka ao
Ny saina mahay miray ;
Dia ho tany sambatra
‘lay Madagasikaranay !

2. Ireo mpitondra anay
Arovy lalandava koa,
Tolory saina hendry,
Kinga sy mahay
Ka ny marina anie
No mba hanjaka ao tokoa ;
Dia ho tany sambatra
‘lay Madagasikaranay !

3. Ny taranakay tahio
Ho vanona tokoa :
Ireo no solofo,
Dimby rahatrizay !
Mba ho tena mahatoky,
Feno fahendrena koa ;
Dia ho tany sambatra
‘lay Madagasikaranay !