733 – Ny fihaonana an-tany

1. Ny fihaonana an-tany,
Ry Jesosy Tomponay,
Vetivety mora lany,
Ka mangoraka izahay,
Namana nifankahazatra
Hifanao veloma anio.
Ry Jesosy be fiantra,
Ny mpandeha mba tahio.

2. Ny ho lasa mba tantano
Tsy ho voa an-dàlana;
Ny hitoetra koa tohano,
Dia mba hiadana.
Na maraina na hariva,
Na aiza alehany ety,
Mba ombay mandrakariva
Mandra-podiny ary.

3. Any volana, any taona,
Ny misaraka izao
Enga anie tafahaona
Raha mbola sitrakao.
Ilay fihaonana ao ambony.
No irinay fatratra,
Tsy hisaraka intsony
Izahay ka sambatra.

732 – Veloma indrindra, ry havana ô!

1. Veloma indrindra, ry havana ô!
Veloma, e, mandrampihaona;
Ry Tompo, vimbino an-dalana ao
Ny havana izay vao handeha;
Ka ny mifanao
Veloma izao
Tahio, mba ho tafahaona!

2. Ry Jeso Mpamonjy, tariho izahay
Hihaona indray ao ambony,
Hiara-pinaritra mandrakizay,
Rehefa tafita ny ony,
Hiara-manao
Ny hira vaovao,
Fa tsy mba hisaraka intsony!

731 – Enga anie ka homba anao Jeso!

1. Enga anie ka homba anao Jeso!
Hanadio sy hanazava,
Hampahery lalandava
Enga anie ka homba anao Jeso!

Fiv : Homba anao, Homba anao Jeso
Homba anao anie Jeso,
Homba anao, Homba anao Jeso
Enga anie ka homba anao Jeso

2. Raha mitambatra ny rahona,
Ka mikimpy ny masoandro,
Raha Jeso momba isan’andro
Ho tantely koa ny vahona.
Homba anao, sns…

3. Mangamanga indray ny lanitra
Loharanom-pitahiana
Sady foto-pifaliana.
Jeso Zanak’ Andriamanitra.
Homba anao, sns…

4. Raha mitolona ady sarotra,
Matokia fa tsy ho irery,
Homba anao Jeso mahery,
Homba anao tsy miady varotra
Homba anao, sns…

5. Raha hilaozana ny havana,
Sady mainty koa Jordana,
Ho mazava ny fitàna
Ao Jeso hanangana avana.
Homba anao, sns…

6. Raha Jesosy no mitantana,
Paradisa koa ny tany,
Hasambarana hatrany,
Ao Kanana no hamantana.
Homba anao, sns…

730 – O! tahio ny havanay re

1. O! tahio ny havanay re
Izay handeha lavitra,
Be tokoa ny alahelo
Noho ny fisarahana:
:,: Manatreha:,:
Izao veloma atao izao.

2. Mba sakanonao ny loza
Tsy hamely azy izao;
Raha misy mampahosa,
Asehoy ny herinao;
:,: Mba tantano :,:
Tsy hisaraka aminao.

3. Aoka mba ho tonga soa,
Tsy ho azon-tsampona;
Aoka koa mba hampodina
Eto aminay indray,
:,: Ka hisaotra :,:
Noho ny fivimbinanao.

729 – Ry Jehovah Ray Tsitoha

1. Ry Jehovah Ray Tsitoha
Mba avia hialoha
Sy hiaro ny mpandeha
Lavi-dalana haleha
Mba jereo ny olonao
Sarak’olona irery
Sady tsy mba manan-kery
:,: Ka jereo ry Tomponay!:,:
Mba Tazano ny mpandeha; (in-3)
Hianao no herinay.

2. Ao ny andro mamanala,
Sakambino ao an’ala:
Raha mandeha mita rano,
Mba hazòny sy tantano,
Ka vonjeo ny olonao;
Be ny zavatra mihatra
Izay manimba sy mandratra,
:,: Ka vonjeo, ry Tomponay!:,:
Mba arovy ny mpandeha; (in-3)
Hianao no aronay.

3. Raha ory, mba tohano,
Ka vimbino sy tantano
Tsy ho reraka ny fony,
Aza afoy, fa mba hazòny,
Iantrao ny olonao;
Raha mahantra izy any,
Ory sady mitomany,
:,: Ka vangio, ry Tomponay!:,:
Mba tsarovy ny mpandeha; (in-3)
Hianao no tokinay.