161 – Mivelatra eo imasiko

1. Mivelatra eo imasiko,
Ny fiandrianan-dehibe
Itoeran’ny Mpamonjiko,
Dia Jeso ‘Lay nandresy re!
Fa niakatr’Izy ka nandao
‘Ty tany fandalovana,
Mpanjaka ao an-dapany
Ka feno voninahitra.

2. Anjely no manotrona
Arahin’olo-masina:
Ireo dia mandohalika
Am-panajana fatratra.
Ny Tompo eo afovoany,
Mamiratra ny tavany,
Ka feno hasambarana
Izay mahazo taratra.

3. Kanefa tsy mipetraka
Ho endriky ny lanitra
‘Lay Zanak’Andriamanitra
Fa miasa tsy mijanona.
Renao va ny fifonany
Ho an’ny Fiangonany
‘Zay novidiny tamin-dRà,
Ka tiany hampakarina?

4. Ekeo, ry Fiangonana ô !
‘Lay hany Mpanalàlana,
‘Zay mandohaliko amin-dRay,
Ka mitomany ho anao!
Ry Tompo, aza sasatra,
Ifony lalandava e!
‘Zahay izay navotanao,
Fa te-hankao an-danitra.

162 – Amen, Jeso no Mpifehy

1. Amen, Jeso no Mpifehy,
Amen, ny Fanahiny.
Amen, Amen, re, ny teny
Mbamin’ny fandraisany,
Amen, ny batisany.
Amen, ny fiainany.

2. Amen, Jeso no Mpanjaka,
Amen, ny Anarany,
Amen, Jeso tonga maka
Ahy ho anjarany,
Amen, Amen ary to
Izy, Izay inoako.

3. Amen, ny fanantenana,
Zavatra maharitra;
Amen re, ny fifindrana
Raha mankao an-danitra!
Amen, ny fiadanana,
Amen, ny fiainana.

4. Aoka isika hihira Amen,
Amen ho mandrakizay!
Jeso, mba valio Amen,
Dia ho faly izahay;
Amen no ho hiranay
Raha mby Aminao izahay.