655 – Kristy miantso antsika hiady

1. Kristy miantso antsika hiady,
Izy nandresy ilay ratsy sahady,
Ka mba henoy, ry sakaiza izao;
Kristy miandry indrindra anao!
Mila antsika Kristy Mpanjaka.

2. Kristy Mpitarika amin’ny ady,
Ka mampandresy izay te-hifady
Ny fahotana, izay maimbo sy lo;
Izy no mànda mafin’ny fo.
Miaro antsika Kristy Mpanjaka.

3. Kristy mampiatrana antsika hahery,
Izy miaro antsika sao very,
Ka mba avia hifahatra ao,
Indro ny ady mandroso izao.
Miantso antsika Kristy Mpanjaka.

4. Kristy mamonjy antsika izay voa
Ary tsaboiny ho entiny koa
Ho ao, an-dapany mandrakizay
Honina ao an-tranon’ny Ray.
Haka antsika Kristy Mpamonjy.

5. O, ry Jesosy, Mpanjaka, Mpamonjy!
Tompon’ny dera aman-daza sy vonjy,
lreo rafinao mba reseo izao,
Ka tanteraho izay sitrakao.
0, mba avia, Kristy Mpanjaka!

654 – Mba faingàna re, ry mino

1 . Mba faingàna re, ry mino,
Aza mba tamana aty,
Ary aza manadino
Ny anjaranao, ary.

Fiv : Ny Mpamonjy anao,
No manangana faneva,
Ary mampihevaheva
Azy eo alohanao.

2. Marobe no mba mitady
Ny fiainana vaovao,
Nefa kosa tsy miady
Amin’izao tontolo izao.
Ny Mpamonjy anao, sns…

3. Koa raiso ny ampinga,
Tano re ny sabatrao,
Fa izany mahakinga
Ny mpandeha toa anao.
Ny Mpamonjy anao, sns…

4. He, akaiky anao Kanana,
Tany hovantaninao;
Ary any ny tanàna
Misy ny anjaranao.
Ny Mpamonjy anao, sns…

653 – Sakaiza, raha tia

1. Sakaiza, raha tia
Ny Tompo hianao;
Faingàna ka avia
Hanaraka Azy izao!
O, mba tsarovinao,
Fa Izy tsy nifaly,
Naleony nijaly
Mba hamonjena anao.

2. Fanahy, mahereza,
Efao ny adinao,
Fa làlana mideza
No hiakaranao;
Ny zava-tsoa atÿ
Dia zavatra mandalo;
Tsy azom-pahavalo
Ny lovanao ary .

3. Ry Tompo, manomeza
Anay ny herinao;
Finoana mateza
Mba atolorinao,
Mba hanarahanay
Ny làlam-pamonjena,
Hahita Anao mitsena
Anay rahatrizay.

652 – O, ry Jesosy, omeo ny hery,

1. O, ry Jesosy, omeo ny hery,
Mba handreseko ny ota izao!
Osa sy ketraka aho irery,
Raha tsy avy izao Hianao.
Raiso ny fo,
Tano tokoa,
Mba handreseko ry Tompo ô!

2. O, ry Jesosy, omeo ny hery,
Ka amboary ny fonay izao;
O, mba esory izay mahavery,
Mitomoera aminay Hianao;
Ka hazavao
Ny fo izao,
Ampandosiro ny aizina ao!

3. O, ry Jesosy, omeo ny hery!
Kely finoana re izahay,
Ary ny lalanay ety sy tery,
Ry jeso ô, mitantàna anay!
Tohanonao
Ny olonao,
Ampandreseo izay manaraka Anao!

651 – Jeso, ampio izahay mba handresy

1. Jeso, ampio izahay mba handresy!
Ny fahavalo mamely anay!
Indro ny aizina tsy mbola resy,
Ary Satana mamandrika anay,
Ka mba omeo anay ny mazava
Hampahasahy anay lalandava.

2. Jeso, ampio izahay mba handresy!
Kely finoana re izahay;
Kivy matetika, mila ho resy;
Aoka ny herinao homba anay;
Dia hatoky izahay, ry Mpandresy,
Fa ny devoly dia ho voasesy.

3. 0, ry Mpandresy, arovy ny ainay!
Ady mafana hiseho izao;
Ka mba tohany hatoky ny fonay!
Dia hiainga hanaraka Anao;
Na dia loza ny herin-tSatana,
Sahy izahay, Hianao no mitana.

4. Ampandreseo izahay, ry Mpamonjy!
Ka raha vita ny ady aty,
Dia ho isan’izay voavonjy,
Ary ho faly sy tretrika ery ;
Tsy mba hitsahatra intsony ny hoby
Hankalazana Anao, ry Mpamonjy

649 – Ry mino miambena re,

1. Ry mino, miambena re,
Fa manam-pahavalo be;
Jesosy no arahonao
Hitarika anao.
Ezahonao ny dianao,
Ny satro-boninahitrao
Miandry ao aloha ao,
Ka mba tratraronao!
Mba mivavaha, ry havako,
Ka miomàna ao am-po;
Andeha izao ilaozinao
Ny zavatra ho lo!

2. Alao ny fiadianana
Omen’Andriamanitra,
Ny fahamarinana alao
Mba hisikinanao;
Hazony ny finoana
Ampinga hanohanana;
Ny tenin’Andriamanitra
No tena sabatra;
Ny famonjena raisonao
Ho fiarovan-dohanao;
Ireny no hanoheranao
Ny ratsy ao am-po.

3. Ry havana malala ô,
Andeha isika hiray am-po
Hikatsaka ny lanitra,
Fa ao tsy misy manjo.
Ho faly ao an-danitra
Ny vita fanompoana,
Ka aoka izao isika handao
Ny zava-poana!
Ho lasa faingana indray
Ny androntsika an-trano lay;
Vonjeonao ilay tany vao,
Izay mandry fahizay.

648 – Miambena izao,

1. Miambèna izao,
Ry fanahiko!
Misy rafinao misaina
Hanangoly ny malaina;
Be ny fandrika
Voavelatra.

2. Miambena izao,
Ry fanahiko!
Mba tsy ho andevon’ota,
Na ho taomin’ny mpanota;
Mivavaha izao,
Ry fanahiko!

3. Miambena izao,
Ry fanahiko!
Ka tohero ny devoly,
Raha avy manangoly;
Kristy raisonao
Mba ho aronao!

4. Miambena izao,
Ry fanahiko!
Tsy ho ela tsy akory
Dia ho lasa ny mahory,
Ka ho afaka
Ny mpiambina.

5. Miambena izao,
Ry fanahiko!
Fa ho avy indray ny Tompo
Mba hampody ny mpanompo
Ho finaritra
Ao an-danitra.

647 – He! Sarotra ny lalam-pamonjena

1. He! Sarotra ny lalam-pamonjena,
Hitanana ny vonjy izay nomena,
Hamelona hatrao, am-parany
Ny fitiavana voalohany.

2. Ny maro dia mazàna mankamamy
lzao, tontolo izao, ka mora lany
Ny zotom-po sy ny finoana,
Dia tonga tia zava-poana.

3. Malaina izy ka tsy te-hiady
Ny ady masina izay maro fady,
Ny lalan-tery dia halany,
Fa ny malalaka no tiany.

4. Mazàna mety menatra ireny
Rehefa voatsindron-toriteny,
Fa hitany ny ratsy ao am-po,
Kanefa tsy mba te-hiova fo.

5. Ry Jeso, Hianao no tokin’aina,
Izay novonoina sy nankahalaina.
Omeo ahy faharetam-po,
Hiaritra izay anjarako.

6. Raha reraka aho ka misalasala,
Dia asehoinao, ry Ray Malala,
Ny lovako ary an-danitra
Hihazona ahy mba haharitra.

646 – Na aiza no alehako

1. Na aiza no alehako.
Dia misy izay hanina;
Fa be ny fahavaloko
Mahery sy kirina.
Mikendry fatratra
Ireo mpamitaka,
Ka dia hazoniko ny to
Na aiza no alehako.

2. Na aiza no alehako,
Dia misy ady mafy;
Ny ota hotoheriko,
Hataoko tena rafy;
Ny fahoriana,
Izay fikapohana,
Tsy maintsy hiaretako,
Na aiza no alehako.

3. Na aiza no alehako,
Ny fasana mangina
Miandry eo alohako,
Fa aloka ny aina
Sy toy ny zavona
Malaky levona;
Izany no tsaroako
Na aiza no alehako.

4. Na aiza no alehako,
Momba ahy ny anjely,
Ka tsy mba hatahorako
Satana izay mpamely.
Ry izao tontolo izao,
Ho resy hianao,
Anjely no ho mandako
Na aiza no alehako.

5. Na aiza no alehako,
Jesosy no kiady;
Ny ratrany no aroko
Sy herin’ny mpiady.
Ny dian-tongony
Arahiko aty,
Ka fandresena azoko
Na aiza no alehako.

6. Na aiza no alehako,
Ny lanitra andrandraiko,
Ka ravo ny fanahiko,
Fa ao ny Tompon’aiko,
Ry izao Tontolo izao,
Ny voninahitrao,
Dia vovoka hitsahiko:
Ny lanitra ao alohako.