665 – Ry mpisaona malahelo

1. Ry mpisaona malahelo,
Mijere ny Tomponao,
Izay namindra ny malala
Mba ho ao an-danitra;
Mba fafao ny ranomaso;
Andrandrao ny lanitra.
Mitsahara ry mpisento,
Ka derao ny Tomponao!

2. Sento no anjarantsika,
Izy kosa faly izao,
Afa-jaly, afaka ota,
Tapitra ady izy ao,
Tsy mba misy ranomaso
Na izay mahory ao,
Koa aza mitomany,
Fa derao ny Tomponao!

3. Nofo no aterintsika
Ao am-pasana anio;
Ny fanahiny anefa
Tsy mba ao anatin’io.
Jeso no namindra azy,
Lasany ny havanao,
Fa navotany ho Azy,
Ka derao ny Tomponao.

4. Mangataha fahendrena,
Ka isao ny andronao;
Mikatsaha famonjena
Sy fiainana vaovao,
Mba horaisiny tokoa
Honina any aminy,
Ka ekeny ho sakaiza,
Mba ho ao an-tranony.

663 – He, lasa izao ny malala

1. He, lasa izao, ny malala
Nifindra ao an-dapan’ny Ray;
Isika rehefa miala,
Ho faly hahita azy indray.
Isika izao mitomany,
lharan’ny mafy manjo;
:,:Jesosy mahita izany,
Ka Izy hanony ny fo.:,:

2. Matetika re ny mangidy
Avela hihatra aminao,
Ka aoka mba tsy hanadidy,
Fa feon’ny Tompo izao.
Ny zanaka tian’ny rainy
Tsy maintsy anariny re!
:,:Izay mahasoa ataony,
Ombam-pitiavana be.:,:

3. Ny fo mora kivy ario,
Fa tsy mba hanary ny Ray;
Ny mamy tsy hita anio
Haposany rahatrizay,
Hofahony ny ranomaso
Soloarn-pifaliana be;
:,:Ny toky omeny andraso,
Fa ho tanterahiny re!:,:

662 – O, ry Mpamomjy avia Hianao

1. O, ry Mpamonjy avia Hianao,
Indro misento ny fonay izao;
Ny alahelo mamely anay,
Koa mitady Anao izahay!
Iza no aron’izay ory fo,
Sady mpanampy ny manamanjo,
Fa tsy ny Tompo mahery sy to?
Dia Hianao izay be indrafo.

2. Jeso Mpamonjy ô, mba iantrao,
Izay malahelo miantso Anao!
Ny mitomany tsy hitanao va?
Fantatray fa Hianao, tsy handà
Dia manatàna ka mba mijere
Ny ranomaso izay mitete!
Fa Hianao no mahay manome
Fampiononana be dia be.

660 – Sambatra ny nodimandry

1. Sambatra ny nodimandry
Niala teto ka tafandry
Ao ampofoan’i Kristy;
Ravoravo izao ny fony
Ka tsy misasatra intsony,
Mby ao, am-pitsaharany.
Ny asany taty
Manaraka azy ary,
Haleloia!
Tafiditra ao an-dapanao
Ry Jeso, ny malalanao.

2. Saotra, dera, laza, hery,
Mba raiso ho Anao irery,
Ry zanak’ondry tokinay!
Hianao dia nialoha
Hanolotra anjara soa
Ho an’ilay malalanay.
Ny fahafatesanao,
No misy aim-baovao,
Haleloia!
Hahita Anao ny olonao
Hohazavain’ny tavanao.

3. Tsy mba misy alina any,
Jesosy no fahazavany
Sy tena masoandrony,
Azony izay niriny,
Ka sambatra ny mpivahiny,
Fa ao no tanindrazany,
Fa efa tapitra
Ny ali-maizina,
Haleloia!
Fa foana ny fasana,
Maraina no miposaka.

659 – Ry hava-malala misaona

1. Ry hava-malala misaona,
Mangina fa mbola hihaona,
Isika sy izy nalaina,
Raha tonga indray ilay maraina.

2. Ny naman’ny tany ihany
No mody ho amin’ny tany,
Ka dia ny fanahy mifindra
Ho amin’ny Avo Indrindra.

3. Tsy maintsy afafy aloha
Ny vary vao mety hamoa;
Ny faty halevina koa
Tsy very fa mbola hifoha.

4. Dia miandrandrà, ry mpisaona!
Ho avy ilay lohataona,
Ka dia haniry ny voa,
lzay misy ny ain’ny Tsitoha.

5. Ho avy ny Tompon’aina
Hiantso ny vovoka maina
Hitafy ny fahazavany
Sy hiditra ao am-panjakany.

6. Faingàna, ry Kristy mahery,
Ry Fanantenanay irery,
Ny fasanay iva tsarovy,
Ny toky nomenao mba tovy!

658 – Tonga ny fahafatesana!

1.Tonga ny fahafatesana!
Ary jinjany ny velona;
Izy manapaka ny lehibe,
Sady mamira ny kely, re!

2. Nefa ny fasana maizina
Efa nidiran’ny Masina;
Izy nampody ny fiainana,
Resy ny fahafatesana.

3. Amin’ny manam-pinoana,
Dia mazava ny fasana,
Izy hitsangana finaritra
Noho jesosy Mpanavotra.

4. Resin’ny Tompo ny fasana,
Koa, ry fahafatesana,
Aiza izao, ny fanindroanao?
Aiza, ry helo, ny herinao?

657 – Lasa re ilay nazoto

1. Lasa re ilay nazoto,
Nody ao an-tany soa,
lzay nanompo tamin-joto,
Ka nahefa be tokoa
:,: Indro, faly:,:
Fa mijinja voka-tsoa.

2. Lasa nody fa voantso:
« Miakara, » hoy ny Ray,
Ka fafao, ny ranomaso,
jeso Tompo no mandray,
:,: Faly, ravo, :,:
Fa tafakatra ao, tokoa.

3. Lasa re ilay nihafy
Ory tena, be nanjo,
Fa nanohitra ady mafy
Nefa mba nahery fo.
:,: Ka nandresy:,:
Fahavalo maro be.

4. Afaka ady ka nifaly,
Fa tsenaina hatratÿ;
Afaka ota, afa-jaly,
Ka mihoby, hatrary’
:,: Hoy ny Tompo::,:
« Mandrosoa, ka mifalia. »

656 – Maty malala, ka ory ny fo!

1. Maty malala, ka ory ny fo!
Lasa tiana ka mafy manjo!
Nefa isika tsy dia mba mamoy,
Fa manantena hihaona indray:

Fiv : Ao aminao, Tompo izy izao
Tsy mba marary na misy manjo!
Nentina any ambony madio
Dia ho sambatra mandrakizay

2. Mba notandremana fatratra koa,
Nefa tsy tapa, fa lasa izao;
Eny, ry Tompo! Ekena tokoa
Izay sitrakao, fa izany no soa:
Ao aminao, sns…

3. Fantatra koa fa isika izao,
Samy vahiny ka hody indray;
Indro! Ny namana lasa izao,
Lasa miandry antsika ary
Ao aminao, sns…

4. Ary isika, raha hiala aty,
Dia hotsenain’ireo havan-tsy foy;
Eny, hihaona mifaly indray
Ka tsy hisaraka mandrakizay.
Ao aminao, sns…