528 – Tsaroako ho avy ny maraina

1. Tsaroako ho avy ny maraina,
Izay hisavan’ny zavona aty
Ka hitrangan’ny masoandron’aina,
Dia Jeso, Ilay malalako ary.

2. Hevero fa tsy hisy fahotana,
Na heloka, na fahoriana ;
Ny ranomasintsika hofafana
Ka hosoloam-pihobiana.

3. Ny havan-tiana tety an-tany
Nandao antsika ka nisaonana,
Ireo no hitsena antsika any,
Ka fifaliana no hihaonana.

4. Ny fiderana ataon’ny olo-maro.
Izay samy masina sy ravo ao,
Sy hobin’ny anjely no hiharo,
Endrey ny hatsaran’ny hira vao

5. Ry tany tsara, aoka hahafaly
Ny foko ny mihevitra anao,
Raha saro-dàlana sy mampijaly
Ny tany itoerako izao

527 – Nahoana no voageja aty

1. Nahoana no voageja aty
Ity tena tsy tamana ity ?
Nahoana no tsy hitanay
Ilay tany tadiavinay ?

Fiv : Ry lanitra ô, ry lanitra ô,
Hianao tokoa irin’ny fo,
Irin’ny fo.

2. Ny sombin-tsoa hita aty
No mariky ny be ary :
Izao tsy mahafa-po izao
No anirianay mba ho ao.
Ry lanitra ô, sns…

3. Ny fitiavanay aty
No tena akon’ny ary.
Izao tsy tanteraka izao
Manandratra ny fo ho ao.
Ry lanitra ô, sns…

4. Izao fiainanay izao
Tandindon’ny fiainana ao ;
Ny andro tsy mateza aty
Dia tapaky ny mbola ary.
Ry lanitra ô, sns…

5. Izao hazavana kely izao
Dia taratry ny betsaka ao.
Somambisamby ny aty,
Mazava indrindra ny ary.
Ry lanitra ô, sns…

6. Ao aminao, ry lanitra ô.
No mampionona ny fo,
Fa Andriamanitra no ao,
Ka tena maminay hianao.
Ry lanitra ô, sns…

526 – Jerosalema ambony

1. Jerosalema ambony
Irin’ny fo izao,
Fa ny aty
Dia tsy mba fy ;
Ny lanitra hazony,
Fa mahamanina.
Jerosalema ambony
Irin’ny fo izao.

2. Fa any hofafana
Ny ranomaso be
Izay latsaka
Tan-dalana
Ka hody fiderana
Sy fifaliam-be.
Fa any hofafana
Ny ranomaso be.

3. Jesosy Tompontsika
Izay ao an-dapany,
Manao hoe :
Ireto re
Ny oloko nafindra
Handray ny lovany.
Jesosy Tompontsika
Manasa anao hankao.

525 – Vahiny eto isika

1. Vahiny eto isika
Ka monina amin-day,
Mitady mba hahita
Ny any amin-dRay :
Fa ao ny fanjakany
Sy fiadanana,
Ka ao tsy hita lany
Ny fitiavana.
Ao no fodiana,
Mihaona ao ny mino,
Ka tsy hisaraka.

2. Izay aty an-tany
Dia mora tapitra,
Fa ny tsy mety lany
Dia ao an-danitra !
Fa ao ny Tompontsika
Izay nohomboana
Mba hahazoantsika
Ny fifaliana.
Ao no fodiana, sns

3. Manafotra ny tava
Ny ranomaso be,
Kanefa dia hisava,
Fa hofafana e !
Isika manantena
Fa ny Mpampakatra
Ho tonga mba hitsena
Ny ampakarina.
Ao no fodiana, sns

517 – Ny alina ho lasa

1. Ny alina ho lasa,
Na ela aza re,
Hipoaka ny andro
Mahafinaritra;
Ny zavona hisava
An-tendrombohitra ao,
Ny vavahady tsara
Ho tsinjoko izao.

2. Mba sarotra tokoa
Ny fiakarana e ;
Mamely mafy koa
Ny rivo-doza be;
Fa he ny mpivahiny
Izay efa trotraka
Tantanan’ny Mpamonjy
Tsy ho solafaka.

3. Ny famonjen’i Kristy,
Ny fanavotany,
No loharano soa
Mangarangarana ;
Nandramako sahady
Ny rano velona,
Ka dia nahazo hery
Am-pandehanana.

4. Ny rano be hitànay,
Ny fefy tsilo koa,
Ny lalana mahàna
Ho afaka avokoa ;
Ka dera, haleloia.
No mendrika hatao
Ambara-pahatonga
Am-pitsaharana.

519 – Mba maniry hody aho

1. Mba maniry hody aho,
Ry Jesosy Tompo ô !
:,: Ka ny foko hatanjaho
Mba hankany aminao :,:

2. Tsy tamana eto aho,
Mampahory ny aty,
:,: Koa dia mitalaho,
Mba hafindranao ary :,:

3. Hody aho, ry Mpiantra,
Aoka mba horaisinao,
:,: Hianao dia feno antra,
Ka matoky aho izao :,:

524 – Hitsahatra aiza, ry foko, izao ?

1. Hitsahatra aiza, ry foko, izao ?
Ka iza ataonao hiaro anao?
Ny tany va misy hitsaharan’ny fo,
Na lova tsy simba, tsy mety ho lo?
Tsia, tsia, tsy mba aty
Izany, fa any an-danitra ery.

2. Afoizo ny tany izay manindao,
Katsaho ny lanitra ho lovanao.
Jerosalema any, tanàna vaovao
Sy tsara tokoa, miandry anao.
Eny, eny, ao dia ao
No misy tokoa fonenam-baovao.

3. Ny mponina ao dia tretrika am-po,
Fa resy ny ota, mahery ny to,
Ka faly midera ny Tompo ny ao ;
Ny mino hihira ny hira vaovao !
Indro, indro, be dia be
Tokoa ny soa ao an-danitra re !

520 – Ny masoandronay

1. Ny masoandronay
Mirefarefa izao,
Madiva hody izahay
Hiverina aminao :

Fiv : Ry Jeso ô! sasao,
Sasao madio izahay.
Ho mendrika ny lanitra
Izay honenanay.

2. Tsy ela intsony koa
Ity ady lava ity,
Ho afa-tsasatra tokoa
Rehefa tonga ary :
sns…

3. Madiva ho hitanay
Ilay Tomponay ary,
Madiva hiahona aminay
Ny namanay taty :
sns…

4. He! kely sisa izao
No hisentoanay,
Dia hofafan’ny tananao
Ny ranomasonay :
sns…

5. Ity hita masi ity,
Izay, tsy mahafa-po,
Hisolo paradisa ary,
Izay hifalian’ny fo :
sns…

521 – Ravoravo re ny foko

1. Ravoravo re ny foko,
Fa Jesosy ao am-poko,
Izy no tsaroako
Amin’ny alehako.

2. Andro fohy, mora lany
No mba ahy aty an-tany,
Fa ny ao an-danitra
Dia tsara lavitra.

3. Tsy mba msiy ota any,
Ka tsy hisy hitotmany,
Tsy mba hisy ny manjo,
Na ny alahelom-po.

4. Any aho no hahazo
Zava-tsoa tsy halazo.
Satroboninahitra,
Haingon’ny nanafika.

5. Dia ao no hahitako
Sady tena hiderako
An’i Jeso avotro
Mifalia re, ry fo !

518 – Rehefa vita ny asako ety

1. Rehefa vita ny asako ety,
Ka ny fanahiko raisina ery,
Miara-mitoetra aminao,
Tomponay,
No hasambarako mandrakizay :

Fiv : Mandrakizay, sambatra re,
Azoko ilay fahasambarana be!

2. Rehefa ataoko veloma ny ety
Ka azoko ‘lay Paradisa ery,
Sady mahita ny tavan’ny Ray
No hasambarako mandrakizay :
sns…

3. Miombom-pahasamabarana ary
Amin’ireo olon-tiako taty
Ka tsy misaraka mandrakizay
No hasambarako mandrakizay :
No hasambarako mandrakizay :
sns…