633 – Izaho tsy mba mahalala

1. Izaho tsy mba mahalala,
Izay hiainako aty;
Anio angaha dia hiala,
Ka hodimandry ho ary!

Fiv : Ny ran’i Kristy, Raiko ô,
No amelanao, ny heloko.

2.Ry Ray ô, mampianara ahy
Hanisa e, ny androko,
Hiantombenan’ny fanahy
Ao amin’ny Mpamonjiko.
Ny ran’i Kristy, sns…

3. Ny asa sy ny ahiahy,
Izay maningotra ahy izao,
Vahao mba tsy hisakana ahy
Hiainga raha antsoinao.
Ny ran’i Kristy, sns…

4. Ny fahotako an-tapitrisa
Saronanao ny avotra,
Izay nandraisako batisa
Sy ny sakafo masina.
Ny ran’i Kristy, sns…

5. Tsy misy mahasaraka ahy
Amin’ny fitiavany:
Ny teniny no mahasahy
Ny olom-boafidiny.
Ny ran’i Kristy, sns…

6. Ka dia tsy mba mampanahy
Ny andro hahafatesako,
jesosy no miantoka ahy,
Ny ainy no anjarako.
Ny ran’i Kristy, sns…

632 – Ampianaro aho, Tompo, mba hiambina

1. Ampianaro aho, Tompo, mba hiambina!
Mandalo tahaka ny rivotra ny androko.
Ka mihalany isan’andro, isan’alina,
Ambara-pahatapitry ny fe-potoako.

2. Endrey ny voninkazo, raha vaomaraina e!
Fa tsara ka mamirapiratra ny endriny;
Kanefa maty izy amin’ny hainandro be;
Ka raha hariva dia simba ny tarehiny.

3. Ny tenako no voninkazo ka hihintsana,
Ny aiko tahaka ny zavona sy aloka
Izay mandalo ka tsy manam-pijanonana;
Ny taonako mandroso tahaka ny riaka.

4. Tsy manam-panorenana aty ny heriko,
Mihelina ka tsy mba hita ny alehany;
Malaky tahaka ny tselatra ny androkô,
Ka tsy miatoato ao am-pandehanany.

5.Ry Tompo ô, ampio aho mba hiomana,
Ka mba hadio fo na aiza noalehako;
Ampaherezo mafy aho mba ho malina,
Mba tsy ho tonga tampoka amikony fetrako!

631 – Ry Jesosy Tompo tsara

1. Ry Jesosy Tompo tsara,
Ry Mpamonjy ô!
Sambatra aho, mananjara
Manana Anao;
Fa na maro ny mpandrafy
Ta-hamely ahy mafy,
Hianao mahay manafy
Hery ny Anao.

2. Be ny manodidina ahy
Efa lasana;
Manakaiky mampanahy,
Re ny fasana;
Nefa, ry Mpamonjy soa,
Tena sitrakao tokoa
Ny hitantana ahy koa
Ao an-dàlana.

3.Eny, izaho manantena,
Ry Mpamonjy ô!
Fa hahazo famonjena
Any aminao.
Raha hilaozako ny tany,
izaho tsy mba hitomany,
Fa hiakatra hankany
Anatrehanao.